Natao ny 16 oktobra teo ny atrikasa mahakasika ny fanadihadiana amin’ny lafiny tontolo iainana amin’ny fomba niomerika, iarahana amin’ny teknisiana japonais ao anatin’ny Fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana, Jica. Ao anatin’izany ny fitsinjovana ny fikajiana ny tontolo iainana eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Tanjona ny hijerena ny asa atao sy ny zava-bitan’ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany malagasy.
Tafiditra ao ny fanadihadiana ny tetikasa Ambatovy. Eo koa ny fitrandrahana grafita any amin’ny tapany Atsinanana, ny orinasa Kraomà, miampy ny fitrandrahana madinika. Ampiasaina daholo ny fanadihadiana ifotony sy ny fampiasana ny teknolojia satelita.
Tanjona ny hanavaozana ny antontam-baovao momba ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Sady hanombanana ny paikady horaisina amin’ny hoavy.
Firenana dimy no voakasiky ny tetikasa: japon, Cambogde, Madagasikara, Mozambika ary Zambia.
Njaka A.