Mivoatra sy mandroso ny fanaovan-trano. Hamoaka vokatra vaovao ny orinasa mpamokatra simenitra Cementis. Nampahafantarina ny mpitsidika ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny trano fonenana (SIH) eny amin’ny Zone Forello izany ankehitriny, izay haharitra hatramin’ny alahady 22 oktobra 2023. Simenitra lakaoly, antsoina hoe «Raikitra», ampiasaina amin’ny fametahana « carreaux ».
An-taonany maro ny fikarohana nataon’ny teknisiana ao amin’ny orinasa Cementis, nahitana ity vokatra vaovao ity. Miraikitra avo dimy heny raha oharina amin’ny simenitra tsotra fampiasa mahazatra. Hihena ny fotoana lany satria mora maina. Azo antoka, ary tsy atahorana ho vaky ny «carreaux». Nanamboatra ozinina manokana any Ibity Antsirabe ny orinasa Cementis hamokarana ny simenitra lakaoly.
Misy karazany telo ity simenitra vaovao ity, ny «Raikitra Classic», ny «Raikitra Spécial» ary ny «Raikitra ultra». Ho hita eny an-tsena, any Atsirabe, manomboka amin’ny volana novambra 2023 izao, ary eto Antananarivo, manomboka amin’ny janoary 2024. Fanasongadinana ny vita malagasy ny fisian’ity vokatra vaovao ity, afaka mifaninana amin’ireo hafarana avy any ivelany.
Njaka A.