Fiarovana ny tontolo iainana : nomena endrika vaovao ny akanjo sy lamba tonta

Maro ireo akanjo mipetra-potsiny any anivon’ny tokantrano any. Maro koa ny simba na tsy ilaina intsony ka no­ezahin’ny mpamorona nomena endrika vaovao indray.

Manan-talenta amin’ny lafiny rehetra ny tanora malagasy eto an-toerana, anisan’izany, ny famokarana sy fanjairana lamaody. “Tsapa ihany koa fa sehatra iray manimba ny tontolo iainana be indrindra maneran-tany ny lamaody sy ny fitafiana”, hoy ny tomponandraikitry ny tetikasa “mode éthique et durable” eo anivon’ny Institut français de Ma­dagascar (IFM), Ranaivoa­rison Noro. Nampivadiana ireo fahatsapana roa ireo ka nahafahana nanao ny tetikasa. Tanjona ny tsy hanariana ireny karazana akanjo sy lamba tonta ireny, ho fanajana ny tontolo iainana sy ny maha olona. Nahafahan’ireo mpamorona enina mianadahy mampiranty ny asa tanana vita amin’ny fanodinana sy fampiasana ireo lamba sy akanjo tonta, omaly.
Mbola sarotiny ary maro ny vahoaka malagasy tsy tia ny vokatra vita eto an-toerana satria mihevitra azy ireny ho ratsy. “Miezaka mitady zavatra manintona ny olona amin’izao fotoana ireo mpamorona ary mampiseho fa tsara izany, amin’ny alalan’ny entana vokariny”, hoy ny mpitantana ny ConserFashion, Rajaona­rivelo Riantsoa. Olana sedraina ihany koa ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Zatra manjifa entana nafarana avy any ivelany (friperie) ny ankamaroany. Amin’ny ankapobeny, noho ny hamoran’ny vidin’entana raha oharina amin’ny vaovao sy noforonina. 500 Ariary, efa mahazo akanjo eny amin’ireny toeram-pivarotana ireny, raha ny zava-misy. Ankoatra izay, mitobaka ihany koa ny lamba sy ny fitafiana eny an-tsena rehetra eny. Antony nahatonga azy ireo hitrandraka sy hanodina azy ireny, ho lasa fampianarana sy hitondra hafatra mahakasika ny fiarovana ny tontolo iainana. “Betsaka ny akanjo mipetraka sy tsy anaovan’ny olona any an-tokantrano any, nefa mividy sy hanamboatra vaovao foana”, hoy kosa ny mpamorona sady mpanjaitra, Rija Nandrianina. Antony nahatonga azy hamadika sy hanome endrika vaovao ireny karazan-javatra ireny ary nezahina hanaraka ny toetrandro izany. Nohamafisin’izy ireo hatrany, fa efa mihabe­tsaka ny olona liana amin’ny fanjifana ny vokatra vita ma­lagasy, indrindra mahakasika ny fiarovana ny tontolo iainana.

Miavaka ny lamaody vita avy aminy

Miavaka amin’ny hatsarany, ny endriny, ny hamafiny ary ny paoziny ny lamaody foronin’ny mpamorona. Tsy misy manana (modèle unique) ny akanjo na fitafy iray eny anivon’ireny toeram-pomoronana ireny ka antony maharisika ny ankamaroan’ny olona hanjifa sy hanatona azy ireny, raha ny fanadihadiana natao. Ho an’ny mpamorona sady mpanjaitra, Rija Nandrianina manokana. Mampiasa ireo karazana lamba sy akanjo efa tonta rehetra izy. Toy ny rideau, drap, akanjo efa nijanona efa an-taona maro na tsy ilaina intsony ary havadika sy homena endrika vaovao indray. Akanjo mariazy efa tamin’ny taona 1980, navadika sy nomena endrika vaovao azon’ny zanaka vavin’ilay tompony hanaovana ankehitriny. Anisan’ny nampiavaka azy tao anatin’ny maro ny namadihana Rideau iray, ho lasa akanjo “4 en 1”. Amin’ny ankapobeny, zatra mitondra akanjo maro ny vehivavy rehefa hamonjy fanasana.

Lehilahy mpanjaitra : “manavanana ny mampihaingo vehivavy”

Randriantsitohaina Rija Nandrianina Augustin, 32 taona. Misehatra eo amin’ny fanjairana sy famoronana lamaody. “Lehilahy mamorona sy manjaitra, voajanahary ny talenta”, hoy izy. Nilaza izy fa tena manavanana azy ny mampiakanjo sy manaingo vehivavy noho ny manjaitra ho an-dehilahy. Heno matetika amin’ny olon-tsotra eny anivon’ny fiarahamonina eny fa mahay manjaitra kokoa ho an’ny vehivavy ny lehilahy, raha ny fanazavan’ny olon-tsotra nanontaniana.
Zanak’olona mpanao asa tanana ary nilona tao anatin’izany hatry ny fahakely. Antony nahaliana sy niseharany ary nahatonga azy nilofo tamin’ny fampianaran-tena teo amin’ny tontolon’ny zaitra. Ankoatra izay, efa tia nanao kisary fony mbola kilasy fahafito (7eme). “Feno sary avokoa ny tany
amin’ny faran’ny kahie ary efa nolazain’ny mpiara-mianatra tamin’izany, fa ho lasa “styliste” na dia mbola tsy haiko tsara aza izany”, hoy izy. Nanapa-kevitra ny handray an-tanana ny fahavitan’ny kaomandin’olona noraisin’ny reniny teo amin’ny faha-15 taonany. Nanomboka teo ny asa ary nandray anjara tamin’ny fifaninana maro samihafa. Nanokatra orinasa ho azy manokana taty aoriana ary miompana amin’ny famokarana lamaody amin’ny endriny maro samihafa.

Ezahina ho takatry ny olona ny vidin’entana

“Ezahina ho takatry ny Malagasy rehetra ny vidin’ny entana mba hanentanana sy hisarihana ny olona hanjifa izany”, hoy ny mpitantana ny ConserFashion. Olana mahatonga ny olona tsy hanjifa ireny lamaody ireny ny halafony, raha ny fanazavana hatrany. Manodidina ny 100 000 hatramin’ny 300 000 Ariary eo izany, amin’ny ankapobeny.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: