Laboratoaram-pambolena : fiofanana momba ny ISO 17025

Nanomboka omaly 24 oktobra, teny amin’ny Laboratoaram-pirenena mikasika ny fanadihadiana amin’ny zavamaniry sy ny biby (LNDV) Anosimasina Itaosy, ny atrikasa fiofanana ho an’ireo teknisianin’ny laboratoara momba ny fambolena sy ny sakafo. Voakasik’izany ny vokatra ara-pambolena sy sakafo eto an-toerana azo aondrana any ivelany, voafaritry ny mari-pamantarana «ISO 17025» sy ny fampiasana azy.
Haharitra roa herinandro ny fiofanana, izay natao hoentina manomana ireo vokatra hifanaraka amin’ny fenitra eto an-toerana sy iraisam-pirenena. Hanamafy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy teknisiana miasa ao amin’ny laboratoara rahateo. Anisan’ny tena hifantohan’izy ireo ny fifehezana ny lafiny teknika, ny fanaovana fanadihadiana, ny fikirakirana ny fitaovana ary ny fahalalana ny fenitra mifehy ny laboratoara.
Ho dinihina mandritra ny atrikasa koa ny hamolavolana ny paikady lavitr’ezaka, hamaritana ny asan’ny laboratoara.
Fanehoana ny fahavononan’i Madagasikara hitandro ny kalitao, ny fanaraham-penitra, ny fiarovana ara-pahasalamana ny vokatra malagasy ity atrikasa ity. Sady hanolorana vokatra tsara kalitao sy azo antoka eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ihany koa.

Njaka A.

Partager sur: