Lavo ny All Blacks Nouvelle-Zélande, nalain’i Afrika Atsimo ny amboara faninefany amin’ny “Mondial Rugby 2023”.
Tsy niova tanana ny amboara maneran-tany, taranja Rugby, fa lasan’i Afrika Atsimo izany, ny sabotsy lasa teo, tany France. Lavon’izy ireo tamin’ny isa tery, 12 no ho 11 i Nouvelle Zélande, nandritra ny famaranana notontosaina tao amin’ny Stade France. Raha hiverenana ny lalao, nanjakan’ny Springboks tanteraka ny fihaonana teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, izy ireo no nitarika 12 no ho 6.
Nahazo karatra mena ny kapitenin’ny All Blacks, Sam Cane, ary nanomboka hita ho bangabe izany teo amin’ny fizaram-potoana faharoa. Niezaka nanohitra ihany ry zareo Neo-Zelandaise, ka nahatondra baolina nentin-tanana, teo amin’ny minitra faha-58. Dimy minitra tsy hifaranan’ny lalao, nanao hadisoana ny mpilalao iray Afrika Atsimo. Tsy tafiditry ry zareo Neo-Zelandaise ny fitsarana ny pénalité na CCP, ka nifarana tamin’io isa 11 no ho 12 io ny lalao. Resin’ny All Blacks i Nouvelle-Zélande.
Marihina fa inefatra ny Springboks no nibata ny amboaran’ny “Mondial Rugby”. Anisan’izany ny taona 1995, 2007, 2019 ary ity 2023 ity. Ny ekipam-pirenen’i Afrika Atsimo no nahazo ny amboara maneran-tany betsaka indrindra raha toa ka faharoa i Nouvelle-Zélande, nahazo izany intel
Fitia Randria




