Reharehan’i Madagasikara: fahombiazana no azon’ny Cosfa tao anatin’ny 40 taona

Maro amin’ireo atleta avolenta sy manana ny lazany no nivoaka avy ao amin’ny klioban’ny Foloalindahy, raha ny tantaran’ny fanatanjahantena maneran-tany. Tsy latsa-danja amin’izany ny Cosfa satria sady efa voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara in’efatra nisesy, efa tompondakan’i Afrika sy teo anivon’ny ranomasimbe Indianina koa. Maro ireo anaram-boninahitra efa nisalorany. Anisan’ireo mandrafitra ny ekipam-pirenena hatrany ny atletan’ny Cosfa nandritra ny 40 taona. Notoloran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa fiarahabana manokana izy ireo nandritra ny lanonana fankalazana ny faha-40 taona nijoroany, teny amin’ny Kianjan’i Betongolo, ny zoma teo. Nankasitrahana koa ireo mpitantana sy mpanabe rehetra nifandimby nitondra izany klioba izany. Eo koa ireo mpiandraikitra mbola anatin’ny fitantanana ankehitriny. Tsy nohadinoin’ny MDN koa ireo atleta rehetra efa nandalo tao amin’ny Cosfa. Maro tamin’ireo atleta tamin’izany no efa nibata ny medaly nandritra ny lalan’ny Nosy, andiany faha 11, notontosaina teto Madagasikara farany teo. « Izay 40 taona lasa izay no mampitodika sahady hibanjina ny 40 taona ho avy manaraka indray », hoy ny MDN. Nohamafisiny fa miezaka hatrany ny minisitera amin’ny fanohanana ny klioba, araka izay fahafaha-manao, mba hitazomana mandrakariva ny toerana sy ny laza, ahafantaran’ny rehetra azy hatramin’izay.

Jean Claude

Partager sur: