« Championnat National Scolaire » : misongadina ny CEG Mahabibo U-15

Notanterahina nanomboka ny sabotsy 28 oktobra lasa teo, teny Mahamasina, ny fifaninanana « Championnat Na­tional Scolaire », taranja baolina kitra. Ireo mpianatra eny anivon’ny CEG no mandray anjara amin’izany. Nandritra ity andro voalohany ity, ny ekipan’ny CEG Maha­bibo no hita fa misongadina amin’ity fifaninanana ity.
Nahazo fandresena roa izy ireo. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1 ny CEG Benoit, Bevava, ary resin’izy ireo 3 no ho 0 ny CEG Fandriana. Ny omaly alahady, nifanandrina tamin’ny CEG Augagneur sy ny sekoly Jolis Citadin ireto mpiantr’i Maha­bibo ireto. Marihina fa ity tetikasa ity dia tafiditra amin’ny fandaharanasan’ny CAF amin’ilay hetsika “African Schools Program”. Tsara marihina fa tonga nanotrona ity fifanintsanana ity, ny filohan’ny Kao­misionina ny baolina kitra, sokajy zandriny, eo anivon’ny Federasiona (FMF), Rahari­mino Mario Rosario. Tsara ny mampahafantatra fa ny sokajy U-15 lahy sy vavy ary ny U-13 no afaka milalao eny ambony kianja. Marihina fa hifarana ny alakamisy 2 novambra ho avy izao ny fifaninanana.

Fitia Randria

Partager sur: