Namoaka fehinkevitry ny fivoriana nataony teny Ambatoroka, ny herinandro teo, ny eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem). Nafonja ary hentitra ny hafatr’izy ireo tamin’izany.
Nahitsy ny hafatra. “Ho anareo mpitondra
isan’ambaratongany, henoy ny maharary ny vahoaka eo amin’ny sosialy, ekonomika… ary aza manararaotra ny fahantran’izy ireo. Isika vahoaka, hajao ny fananana iombonana ary halaviro ny fifaniratsirana sy ny fifampihantsiana tsy mitondra fitoniana sy tsy mamaha olana ara-pahasahiranana”, hoy izy ireo. Notaterin’izy ireo amin’ny hafatra koa ny fihaonana tamin’ny papa Fransoa, herinandro vitsy lasa izay. Nanohina ny fon’ny any Vatikana ny nandre ireo voina natoraly nandalovan’ny firenentsika (rivo-doza, tondra-drano). Ny fahenoany ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fiarahamonina amin’ ny ankapobeny ka nampitondra ny hafatra izy mba hamerina hiaina ireo soatoavina maha Malagasy. Tsikaritra ho mihamanjavona izany, vokatr’ireo karazan-trangan-javatra maro mpivoy sy mamotika azy. Anisan’izany ny fifampihantsiana sy ny tsy fifanajana intsony eny amin’ireny fitaovan-tserasera isan-tsokajiny ireny, ny kolikoly, mampikaikaika ireo tsy manam-peo sy tsy mba manam-piahy.
Ny tsimatimanota mirehareha
Ny tsimatimanota ireharehan’ireo mihevitra ny tenany ho tsy azo atao inona, noho ny fananany vola sy ny tanjany ara-piarahamonina. Ny famotehana ny sehatry ny fanabeazana, miseho amin’ny lafiny maro, ny fahamaizan’ireo ala arovana… “Vokatr’izany, efa mitady ho vilian-tsahona ny fihavanana, very ny hasin’ny Raiamandreny, lasa hery manentana ny tanora ny herisetra sy ny fisolokiana. Adidy sy andraikitry ny eglizy ny miaina voalohany ny soatoavina sy fahendrena amin’ny alalan’ny fiarahany dia amin’ ny vahoaka amin’ny sosialy”, hoy ny tatitry ny eveka, tamin’ny fihaonana amin’ny papa Fransoa. Niantso sy nitalaho ny hampitsaharana ny fifanararaotana amin’ny lafiny maro ireny ny any Vatikana. Iaino amin’ny fomba faran’ny madinika ny evanjely henontsika isan’alahady. Kristianina avokoa ny ankamaroantsika na mpitondra na vahoaka, araka ny hafatry ny eveka. “Aza avela ho mpibaiko ny fiainantsika ny kolikoly sy ny herisetra. Aoka ny isam-pianakaviana mba ho sehatra hamolavola olom-banona matahotra an’Andriamanitra sy mijery ny mpiara-belona mba tsy ho lasa mpamokatra herisetra sy mpamitaka ny fiarahamonina amin’ny lainga sy ny fisolokiana ny taranatsika”, hoy ny Fem.
Synèse R.