Olana iray lehibe eto an-drenivohitra ny fitohanan’ny fifamoivoizana, saika isan’andro. Fotoana maro no very amin’izany ary misy fiantraikany goavana eo amin’ny asa fihariana. Mitady vahaolana tsy tapaka ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) eo amin’ny fifamoivoizana.
Mitohana maharitra ny fifamoivoizana eto Antananarivo noho ny fitomboan’ny mponina sy ny fiara. Ao koa ireo tonga miakatra eto an-drenivohitra isan’andro manao fitadiavana. Na fiarakodia tsotra, indrindra fa fiara fitateram-bahoaka (taxi-be) samy tojo io olana io amin’ ny faritra rehetra. Araka ny fanadihadiana natao, very ora roa isan’andro ny olona iray eto Antananarivo noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana.
Betsaka ny manahirana eo amin’ny fifamoivoizana, toy ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny sasany. Hita ihany koa ny fahamaroan’ny mpivarotra mameno ny sisin-dalana, izay antony mitera-doza matetika sy antony iray naha betsaka ny «taxi-motos». Maro ny fatiantoka ara-toekarena, mitombo ny fandaniana eo amin’ny solika sy fotoana lany, mikorontana ny asa aman-draharaha maro.
Samy tompon’andraikitra
Vahaolana iray nataon’ny CUA ny mampifandray ny Boulevard de Tokyo-By Pass- Ankadievo-Ankadimbahoaka. Samy tompon’andraikitra eo amin’ny fifamoizana ny mpitandro filaminana, ny minisiteran’ny Fitaterana, ny prefektioran’Antananarivo, ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Matetika ireo miara-mivory mitady vahaolana amin’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Anisan’ny vahaolana hita ny fanitarana sy fanovana ny lalana sasany. Napetraka ny komity iray, mitady fomba rehetra manamora ny fifamoivoizana sy ny fanaraha-maso rehetra izay tokony hatao.
Nambaran’izy ireo ny tsy fanajana lalàna ataon’ny sasany ka hanentanana ny rehetra hanaja ny lalàna momba ny fifamoivoizana, na ny olon-tsotra voakasik’izany, indrindra ireo mpivarotra manamorona ny lalana, sy ny mpitatitra rehetra.
Latsaka daholo ny zotra vita…
Mihena ny vola miditra eo amin’ny fitateram-bahoaka, mitombo anefa ny vola mivoaka, hoy ny mpitatitra iray miasa ao anatin’ny kaoperativa. «Latsaka daholo ny lalan-jotra vitan’ny fiara iray isan’andro. Raha mahavita lalan-jotra 9 izahay teo aloha, ankehitriny 5 na 6 eo izany raha be indrindra mandroso sy miverina. Ny solika (gasoil) lany amin’izay anefa betsaka, ankoatra ireo kojakoja samihafa… », hoy ity mpitatitra.
Ho an’ny mpandeha, ny fahavoazana dia amin’ny ora lany mandeha miasa, raha tokony hiala amin’ny 7 ora maraina, voatery mandeha amin’ny 6 ora ny ankamaroany, ary voatery maka fiara (bus) indroa ny sasany.
Ho an’ny orinasa, mihena ny vokatra atao, satria tsy vitsy ny mpiasa tratra aoriana ny fanombohany miasa na voatery manenjika ora fiasana fotsiny …
Maloto ny rivotra noho ny setroky ny fiara
Simba ny tontolo iainana eto Antananarivo sy ny manodidina noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Antony iray mandoto rivotra ny fahamaroan’ny fiara mamoaka setroka maloto iainan’ny mponina sy ny zava-mananaina. Feno rivotra maloto ny tanàna.
Araka ny tatitra navoakan’ny Sampandraharahan’ny famantarana ny toetr’andro dia mahery ny rivotra maloto manerana an’Antananarivo sy ny manodidina. Mijanona maharitra izany fahalotoan’ny rivotra izany. Mitombo, noho izany, ny aretina samihafa, misy fiantraikany amin’ny olona tokony hianatra sy hiasa, mampitombo ny fandaniana ihany koa eo amin’ny fitsaboana.
Ankoatra izay, mikorontana ny toetr’andro, manerana ny faritra rehetra. Efa miseho koa izao ny hafanana, tsy eto an-drenivohitra ihany fa manerana ny Nosy. Mitombo ny fahavoazana aterak’izany: toekarena, tontolo iainana, fahasalamana. Anisan’ny mitarika izany ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Koa takina ny fahamailoana ataon’ny sampandraharaha ara-teknika manara-maso ny fiara, mba ho fiara manara-dalàna no mandeha.
Tsy misy ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana maharitra. Tolo-kevitry ny mpitatitra maromaro ny tokony hanaovana ny asa amin’ny alina, saingy izay ihany koa ny mampiakatra fandaniana, na ho an’ny mpanakarama na ny mpikarama.
Na izany aza, tsara ihany ny hisian’ny fanamboarana mitohy ireo fotodrafitrasa samihafa, indrindra ny lalana. Hatramin’izao anefa, iainana ihany ny fitohanan’ny fifamoivoizana, miantraika hatrany amin’ny fahasalamana.
Nanatontosa : R.Mathieu