Vokatra fanondrana : tsy misy singa very ny jirofo iray manontolo

Anisan’ny zavamaniry ilain’ny fianan’ny olombelona ny vokatra fanondrana raha ny eto Madagasi­kara. Tsy misy very fa ilaina avokoa ny momba izany, raha ho an’ny vokatra jirofo manokana.

Maro ny zavatra azon’ny olona ampiasana ny vokatra jirofo, raha ny fanadihadiana natao. Manom­boka eo amin’ny fakany, ny hodiny, ny tahony, ny tangozany ary ny raviny. Afaka avadika ho vokatra hampidi-bola isan-tokantrano daholo ireo rehetra ireo, raha ny fanadihadiana natao. Ho an’ny faritra Atsinanana, nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny 19 septambra 2023 teo ny taom-piotazana vokatra jirofo 2023-2024. Araka ny didim-pitondran’ny faritra Atsinanana lah faha 020-2023/MID/REG/ ATS, tamin’ny alalan’ny CRCE (Cellule régionale de concertation économique), tompon’ andraikitra eo amin’ny fanapahana ny taom-piotazana
ny vokatra fanondrana sy afaka mametraka ny tamberim-bidy halaina amin’ny vo­katra.
Vokatra mamelona tokantrano maro eny ambanivohitra ny jirofo. Tsy ny tantsaha ihany no migoka ny tombontsoa avy amin’ny jirofo fa ny olon-drehetra. Mioty ny vokatra avy any anaty ala ny tantsaha. Misy ny mpanangom-bokatra sy mivarotra izany amin’ny mpandraharaha mpanondrana. Ankoatra izay, diovina tsara ny entana mialoha ny hanondranana azy any ivelany.

430 Ariary isaky ny kilao ny tamberim-bidy

Amin’ny ankapobeny, tsy mahafa-po ny tantsaha loatra ny vidin’ny iray kilao amin’ny vokatra jirofo ankehitriny. Vidian’ny mpanangom-bokatra amin’ny vidiny mora eny anivon’ny tantsaha ny
vokatra, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny faritra Atsi­na­na­na sy Analanjirofo. Tsy mitovy ihany koa ny vidim-bokatra satria manomboka 30 000 hatramin’ny 45 000 Ariary ny any Mahanoro sy Anta­nambao Manampontsy ao anatin’ny faritra Atsinanana. Raha 20 000 hatramin’ny
30 000 Ariary ny ao Analan­jirofo.
Ankoatra izay, tsy dia nahitana vokatra firy ny ao Vavatenina. 430 Ariary isaky ny kilao no alaina ho tamberim-bidy. Haverina amin’ny kaominina ny 65 %, raha 35 % ny an’ny faritra amin’io tamberim-bidy io. Amin’ny ankapobeny, tsara ny vokatra jirofo tamin’ity taona 2023 ity fa saingy mampanotany tena ny tantsaha ny tsy fahamarinan-toeran’ny vidin’entana. Misy mahasahy mividy 65 000 hatramin’ny 100 000 Ariary ny kilao amin’ny jirofo tonga any Toamasina. Vidian’ny mpandraharaha mpanondrana arakaraka ny kalitaon’entana izany.
“Feno mpijirika ny eny ambanivohitra, endrika iray manimba ny vidim-bokatra. Teren’ny tsy fisiam-bola rahateo ny mpamokatra ka voatery mamarotra izay efa eo am-pelatanana. Fanampin’izany, mifanindran-dalana ny fo­toam-piotazana jirofo sy ny fiasana tanimbary, fanomanana fankalazana ny fetin’ny maty ary ny fikarakarana ny mpianatra hianatra an-tanan-dehibe, renivohitry ny disitrika. Tsy maintsy handefasana vatsy isan-kerinandro izy ireo”, hoy i Tinanirina Lucienne.

smart

Namonjy olona maro tamin’ny valanaretina “covid-19” ny jirofo

“Tsy nisy fampiasana arovava na fanafody niarovana tamin’ny fiparitahan’ny valanaretina “Covid-19” ny tany ambanivohitra”, hoy ireo tantsaha nanontaniana. Nilaza izy ireo fa tsy dia nisy namoy ny aina loatra tamin’izany afa-tsy noho ny aretiny hafa. Nataon’ny maro fanafody ny vokatra jirofo nandritra izany ary nahasitrana aretina maro samihafa. Azo natelina ny voany maina, natao fanafody goty, diabeta, tosidra. Nanasitranana tazo kosa ny raviny, notenehina ka nievohana. Niadivana tamin’ny tazomoka kosa ny raviny maina nodorana natao afovoan-trano. Ankoatra izay, nataon’ny maro fiarovana sy fanafody nisorohana ny valanaretina Covid-19 ihany koa izany. Maro ny vokatra jirofo namidy teny an-tsena rehetra hatreny an-tanàn-dehibe nandritra iny fotoana iny.
Noho ny fitotongan’ny vidin’ny voana jirofo maina, no na­hasarika ny tantsaha hamadika izany ho lohamenaka na dia asa mafy aza izany. Maharitra herinandro mahery vao maha­zo roa litatra na mahamasaka roa vilany amin’ny ravin-jirofo.

Nampidirana hetra
Handoavan-ketra 3 % ho an’ny mpandraharaha hanondrana vokatra any ivelany. Raha 5 %
izany, ho an’ny mpanangom-bokatra sy ny tantsaha. Voakasik’izany, ny voana
jirofo sy ny lohamenaka azo avy amin’ny jirofo sy kanelina. Anisan’ny mamono ny fiharian’ny tantsaha ny faneken’ny solombavambahoaka ny volavolan-dalàna, araka ny voasoratra tao amin’ny LFI (Loi de Finance Initiale) lah faha 7 and 01,01,14. Andoavan-ketra 3 % ho an’ny taotaon-ketra 3, 5 % kosa amin’ny jirofo sy ny kafe ary ny kanelina io, ity farany izay nampiharina ny volana janoary 2023, lasa teo.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: