Kolontsaina sy famoronana : mitondra anjara biriky goavana, manabe olona ny sary hosodoko

Manabe sy mitaiza toe-po sy toe-panahy ho an’ny olon-drehetra ny haikanto toy ny sary hosodoko.

“Miezaka ho modely eny anivon’ny fiarahamonina sy ny tokantrano ary ny firenena iray manontolo mihitsy izy ireny”, hoy i Zo Nasandratra, mpanao hosodoko. Nilaza izy fa tokony ho hita taratra amin’ny zavakanto ataony sy amin’ny alalan’ny haikanto ataony ny fanabeazana entiny. Raha ho azy manokana, manao ireo karazana sary hosodoko izy. Am­pisehoany fa mahay manavia sy manavanana ary mahay mifandray amin’ny olona rehetra ary miaina amin’ny toerana rehetra izy. Miezaka miala kosa amin’ireo zavatra ratsy sy miiba rehetra, izay tsy mitarika fandrosoana. Ankoa­tra izay, misy zavatra tian’ny mpanakanto aseho avokoa ny sary hosodoko rehetra na ny “art péjoratif” na ny “art abstrait”. Samy maka ny tandrify azy ny tsirairay. Tsy mitovy fitiavana ihany koa ny olon-drehetra ka antony mahatonga azy hampifangaro ireo karazana sary. Misarika ny olona ho liana sy hanadihady ary haminavina ny hevitra fonosiny ny haikanto, indrindra raha mifanojo ny eritreritra. Tanjona ny hampahafantarana ny fombam-piainana sy hampidirana lalina ny sary hosodoko ao anatin’ny kolontsaina malagasy.

Nolovaina, nampiana
fianarana ny taosary
hosodoko
Ravonison Andrianjaka Zo Nasandratra, raim-pianakaviana, mpanao sary hosodoko eto Antananarivo. Fantatry ny maro amin’ny hoe Zo Nasan­dratr’art eo amin’ny sehatry ny kanto. Nanomboka nampiranty ny asa tanany voalohany teto Madagasikara izy tamin’ny taona 2001. Izay niarahany tamin’ny mpanakanto maro samihafa avy eto an-toerana. Tsy nijanona mihitsy izy nanomboka teo fa niezaka nampiseho sy nampahafantatra izany tamin’ny olona rehetra. Nolovaina avy amin’ny rainy ny fanaovana asa tanana raha ho azy manokana. Nampiana fianarana hatrany anefa izany fa tsy nionona tamin’izay. Ankoatra izay, nanara-maso sy nanampy azy betsaka ny rainy satria nianatra manokana momba ny sary. “Teraka tao anatin’ny fanaovana sary satria efa mpanao sary ny ray aman-dreniko dia lehibe tao anatin’izay aho”, hoy i Zo Nasandratra. Ni­janona nisehatra sy nilomano tamin’ny fanaovana sary hatrany izy na dia nandranto fianarana hafa tamin’ny ambaratonga ambony aza, raha ny nambarany. Manampy betsaka hivoatra ny fizarana sy fitomboan’ny traikefa amin’ny fanaovana ny asa. Mampi­tombo fahaizana sy mampivelatra hatrany hatrany ny fikarohana.

Asa fivelomana sady fiainana
Asa fivelomana sady fiainana ny fanaovana ny sary hosodoko, raha ho azy manokana. Tsy voafaritra mazava ny vola miditra amin’ny mpanao sary satria miovaova araka ny vanim-potoana sy ny fandehanan’ny tsena izany, raha ny fanazavana. Nilaza izy fa rehefa miezaka mifandray aman’olona dia mitombo araka izay koa ny vola miditra. Manjifa ny vokatra avokoa ny sokajin’olona rehetra na Ma­lagasy na vahiny. Amin’ny ankapobeny, tena mahasarika ny mpanjifa ny vokatra mampiseho sarin’olona (portrait). Anisan’ny ma­namarika ny fiainan’ny olona tsirairay ny fahitana ireny karazan-tsary ireny. “Tsy mila mi­so­tro na mihinana na mandray zavatra na mihaino mozika fa mahavita asa foana rehefa mifantoka”, hoy hatrany izy.

Taozavatry ny loko ny hosodoko

Anisan’ny nandravaka trano 30 mahery tamin’ny alalan’ny sary hosodoko amin’ny rindrina ireo mpanakanto avy any ivelany, tamin’ny taona 2014-2015. Toy ny any Espagne, Argentine, Australie, Allemagne, Portugale… ary mbola mitohy hatramin’izao izany.
Taozavatry ny loko mitsiranoka, na mivaingana eo amina velarana fametahana ny loko iray no atao hoe hosodoko, raha ara-piforonanteny. Azo atao ny manao izany amin’ny rindrina, amin’ny taratasy, hazo, fitaratra, «laqué», tanimanga, simenitra ary «tableau». Azo haingoina amin’ny volamena, vovoka, tanimanga, taratasy ary loko samihafa izany mba hanome endrika mahafinaritra sy misarika ny mason’ny mpijery.

Ara-tantara
Tamin’ny taonjato faha-19 no niandohan’ny sary hosodoko malagasy. Nampiditra izany teto ny Eoropeanina, tamin’ ny taona 1826. Nivoatra sy nivelatra ary tafiditra ho anisan’ ny kolontsaina malagasy izany. Nihamaro ireo mpanakanto nanao izany teto an-toerana. Maro tamin’izy ireny no nampiseho sy nampiasa ny sanganasany tany am-piangonana sy tranom-panjakana. Vita tamin’ny menaka, lamba sy hazo izany matetika. “Nampianarina teto Madagasikara ny hosodoko malagasy tamin’ny andro fahiny ary tao anaty rova ny sekoly nampianarana azy io voalohany, natao hoe “école du palais”, hoy ny manam-pahaizana eo amin’ny fanaovana sary hosodoko, Rajaonarison Jean Gervais.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: