Mahazo vahana ny fanolanana sy fanararaotana ara-nofo any an-tsekoly. Mahoraka ny fiampangana mpanabe iray, omaly.
Mitondra vohoka efa ho enim-bolana ny mpianatra kilasy fahavalo (4ème) ao amin’ny CEG iray ao Vavatenina. Vokany, voatery tsy maintsy nampiato ny fianarany ity zaza 16 taona ity. Raha ny angom-baovao avy any an-toerana, tomponandraikitra anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana Vavatenina no nahabevohoka ilay mpianatra. Nokasaina hoesorina ny zaza. Tsy sahy ilay mpianatra, reniny. Nisy ny antso natao tamin’ ilay olona voatonontonona, saingy nilaza tamin’ny mpanao gazety izy mba hidina any ifotony, hiresaka. Tsy nanda na nanamarina ny vaovao izy. Mbola nisy ny antso tamin’ny finday natao azy mandraka alina, saingy namono finday izy. “Tsara raha midina aty Vavatenina ianareo miresaka fa tsy an-telefaonina”. Amin’ ny maha olona akaiky ny solombavambahoaka voafidy tao Vavatenina an’ io mpanabe io, niantso ny depiote koa ny mpanao gazety, ny alatsinainy maraina. “Vao tonga eto Vavatenina aho ka mbola tsy misy ambara”, hoy io solombavambahoaka io. Nilaza ity farany fa hiantso avy eo, saingy hatramin’ny ora farany nanoratana ny lahatsoratra, mbola tsy nisy antso avy amin’io olom-boafidy io.
“Vao nianatra tao amin’io CEG io, izany hoe vao 14 taona, efa niaraka tamin’ity mpanabe ity ilay zaza. Entiny manaraka azy mihitsy tato ho ato rehefa izy mandeha manao fitsidihana”, hoy ny fanamafisan’ny loharanom-baovao
Ady mangatsiaka
Araka ny tatitry ny eo anivon’ny zandary ao Vavatenina kosa, tsy mahalala ny fisian’io tranga io velively izy ireo. “Heverina ho ady mangatsiaka eo amin’ireo samy mpanabe io resaka fanodinkodinana zaza tsy ampy taona io”, hoy ny zandary. Raha tsiahivina, nisy ny fanesorana ny talen’ny EPP iray tao anatin’ny fari-piadidian’i Vavatenina. Nijanona ho mpiasa tsotra, araka izany, ity farany. Tsy naharay tranga fitoriana mahakasika fisiana fanodinkodinana zaza tsy ampy taona nataon’ny mpampianatra ao an-toerana kosa izy ireo.
Sajo sy Tsiferana R.