Manomboka manandrana mifoka sigara ny ankizy any an-tsekoly. Miteraka herisetra ara-batana sy ara-moraly eo aminy izany. Misy ny fanentanana ataon’ny fikambanana maro ho an’ny ankizy sy ny tanora. Mba hisorohana ny tsy hiron’izy ireo amin’ny fidorohana ny karazana zava-mahadomelina.
Manomboka mahazo vahana eto Madagasikara ny fivarotana sigara. Anisan’izany, ny sigara elektronika. Loza ho an’ny firenena sy ny fahasalam-bahoaka izy ireny. Fatiantoka ho an’ny toekarena malagasy ny fanaparitahany eto amin’ny firenena. « Tsy misy tombontsoa ara-toekarena entin’ny sigara eto amin’ny firenena », hoy ny filohan’ny fikambanana Ny sahy, Randriamamonjisoa Haja. Ankoatra izay, mitondra tsy fahasalamana maro samihafa eo amin’ny olona ihany koa izy io.
Maro ny aretina azo avy amin’ny sigara. Anisan’izany ny tosidra. Manodidina ny 8 300 isan-taona ny olona maty vokatry ny sigara. Mahatratra 2 500 000 ny isan’ny Malagasy mararin’ny tosidra, izay anisan’ny aretina azo avy aminy. Ny 2/3 amin’ny aretina homamiadana dia azo avy amin’ny fifohana sigara avokoa. Vokany, matiantoka 491 milliards Ariary isan-taona ny toekarena malagasy vokatry ny aretina rehetra azo avy amin’ny sigara, raha ny tatitra navoakan’ny Pnud, mahakasika ny Cadre des investissements. Betsaka ny olona tsy afaka miasa noho ny aretina. Misy fiantraikany goavana amin’ny firaisana ara-nofon’ny mpivady ihany koa ny setroka sigara.
Raha ho an’ny fambolena paraky manokana, anisan’ny manimba ny tontolo iainana izy io. Mandripaka ala 1ha ny fandoroana paraky 1 taonina. Mitondra aretina any anatin’ny vatan’ny olombelona mikarakara azy ireo ny voly paraky (fihavana, fiotazana, fanamainana…). Lasibatra betsaka amin’izany ny vehivavy bevohoka. Mety ho afa-jaza matetika ary mety tsy hampiteraka, fahamombana, ho an’ny vehivavy mbola tsy niteraka ihany koa.
Lasibatra ny mpianatra
11% ny tahan’ny ankizy, eo anelanelan’ny 11 hatramin’ny 15 taona, mihinana paraky sy mifoka sigara. Lasibatra amin’ny fivarotana sigara ny mpianatra, araka ny fanadihadiana nataon’ny teo anivon’io fikambanana io, tamin’ity taona 2023 ity. Nanaovana fanadihadiana nandritra izany ny sekoly 20 teto amin’ny faritra Analamanga. Nahitana toeram-pivarotana sigara 239 ao anatin’ny 100 m manodidina ny sekoly 20. Nahitana mpivarotra manodidina ny 12 isaky ny manodidina ny sekoly iray, raha ny fanadihadiana nataon’izy ireo hatrany. Mivarotra sigara amin’ny olona rehetra tonga mividy izany ao aminy ny mpivarotra, raha ny zava-misy. Ankoatra izay, ahitana doka varotra mahakasika izany koa eo amin’ireo tsenakely ireo. Voararan’ny didim-pitondrana 18-171, tamin’ny taona 2003, ny fivarotana sigara ho an’ny ankizy latsaky ny 18 taona sy ny fanaovana doka varotra mahakasika izany. Nilaza ny teo anivon’ny fikambanana Ny sahy fa anisan’ny nahafoana ny sigara maro teto amin’ny Nosy ny fampiharana io didim-pitondrana io.
Tokony holaniana haingana ny volavolan-dalàna
Mila atao haingana ny fandaniana ny volavolan-dalàna momba ny ady amin’ny fifohana zava-mahadomelina eto Madagasikara. Izay nelafan’izy ireo eny anivon’ny Antenimiera hodinihina efa telo taona lasa izay. “Ny fisian’ny lalàna io ihany no ahafahana miady amin’ny fiparitahan’ny sigara eto amin’ny firenena”, hoy hatrany ny filohan’ny fikambanana Ny sahy. Nilaza izy fa tokony ho voafehy izany raha toa ka foanana sy tsy avela miditra eto Madagasikara intsony ireny karazana zava-mahadomelina ireny. Manao antso avo foana izy ireo mahakasika izany. Napetraka tao anatin’io volavolan-dalàna io fa tsy azo atao ny mivarotra sigara ao anatin’ny 200 metatra akaikin’ny sekoly iray. Manoro hevitra izy ny handrarana ny fivarotana sigara elektronika eto Madagasikara.
ONG Ny sahy
Asa ataon’ny fikambanana Ny Sahy ny ady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina eto Madagasikara. Misandrahaka manerana ny Nosy izy ireo. Manakana ny olona mbola tsy tafiditra mba tsy hiroboka ao amin’io fidorohana zava-mahadomelina io ny 80 % ny asa ataon’izy ireo. Manala ny olona efa tafiditra ao anatin’izany kosa ny 20% ambiny. Miompana amin’ny fitsaboana ireo olona efa tsy mandray zava-mahadomelina intsony nefa lasa misy aretina mitaiza ihany koa.
Nanatontosa : Mino