Jiolahy efa-dahy nirongo basy : voaroba ny lavanila 90 kg sy vola antapitrisany

Nanaovan’ireo jiolahy rotsak’alina, nirefotra ny basy ka lasa ny vola antapitrisany tao amin’ny fokontany Ambondrona, distrikan’Antalaha, ny alin’ny 27 hifoha ny 28 novambra teo.

Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray anatin’ny fokontany Ambondrona ireo efatra mirahalahy nirongo basy, ny alin’ny asabotsy hifoha ny alahady teo. Notifirin’ireto mpandroba ireto avy hatrany ny varavaran’ny trano. Mpivarotra lavanila ity lasibatra ity. No ny tafiditra tao an-trano, nanambana ny hitifitra ireo jiolahy raha toa ka tsy mamoaka ny vola ireo olona notafihiny. Raiki-tahotra, navoakan’ilay raim-pianakaviana ny lavanila nilanja 90 kg efa vita karakara tao aminy. Tsy nionona tamin’io anefa ireo tsy mataho-tody. Lasany koa ny vola mitentina 10 tapitrisa ariary. Ankoatra ireo, lasibatra koa ny finday raitra sy ny fahitalavitra « écran plat ». Nirifatra nitsoaka ireo efa-dahy taorian’io.

Naratra ny tompon-trano
Vokatry ny fikasihan-tanana nataon’ireo jiolahy efa-dahy ny lehilahy tompon-trano, naratra ity farany. Novelesin’ireo jiolahy izy, saingy tsy nisy nahina ny ainy. No ny maraina, naharay fitarainana ny teo anivon’ny zandary avy ao an-toerana fa nisy fandrobana nitam-piadiana nandritra ny alina. Nijery ifotony ny zava-nisy izy ireo ary niroso tamin’ny fanaovana fanadihadiana lalina avy hatrany ahafahana misambotra ireo nahavanon-doza. Nanentana ny mponina hampahafantatra mialoha ny voavao koa ny zandary ao an-toerana hisorohana ny fitsoahan’ny jiolahy tahaka izao.

Tsiferana R.

Partager sur: