Anisan’ny raharaha narahin’ny mpanara-baovao maro tany Toamasina ny trangana vono olona tao Tanamakoa. Teo koa ny fandrobana moto nifanesy tany an-toerana, teo anelanelan’ny faran’ny taona 2022 hatramin’ny volana jona 2023 lasa teo. Nisy ny voasambotra sy nahatrarana fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika, toy ny basy, ireo jiolahy nandritra izany, vokatry ny fanadihadiana nataon’ny polisy.
Niakatra teny amin’ny sampam-pitsarana misahana ny ady heloka bevava ny alarobia ny 22 novambra tolakandro teo, ny lehilahy telo. Nahitana an-dRafanomezantsoa Christophe sy Jean Charles ary Zafindramanana Stelanony Rudi. Voampanga mahakasika ny karazan-keloka samihafa avy amin’ny mpitory samihafa izy telo lahy ireto. Marihina fa tsy nisy voasazy izy telo voarohirohy ireo taorian’ny valim-pitsarana azy tamin’io fotoana io.
Ho an’ny antotan-taratasy fiampangana voalohany laharana faha-112- Toa/23- 195-RP/23 nahazo azy ireo. Izay mahakasika ny fanafihana mitam-piadiana nitranga tany Tsararivotra Toamasina II, ny 03 septambra 2022 lasa teo. Izay nitifirana olona roa, mpivady teny ambony moto ka naratra mafy tamin’ izany ilay raim-pianakaviana nitondra ny moto. Rehefa voatifitra ilay Rangahy, lasa nitsoaka kosa ilay ramatoa ary lasan’ ireo jiolahy ny moto Rs nentin’izy ireo. Nisy nahita ny fanafihana ka nampandre ny polisim-pirenena ny loharanom-baovao iray. Izay anisan’ny nanamora ny fanenjehana ny jiolahy. Anisan’ny voarohirohy sy voapanga nanao io fanafihana io izy ireo. Naharitra ora iray mahery ny fitsarana io fiampangana iray io. Nanomboka tamin’ny 3 ora sy 37 minitra hatramin’ny 4 ora sy 52 minitra.
Tsy tonga ny mpitory
Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny teo anivon’ny polisim-pirenena sy ny teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana fa anisan’ny voapanga tamin’io raharaha io i Zafindramanana Stelanony Rudi. Fantatra tamin’izany fa tsy nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana izy fa mpampanofa basy. 300 000 Ariary ny hofan’izany. Nipoitra tamin’ny valandresaka nataon’ny mpitandro filaminana sy ny tonia mpampanoa lalàna nandritra ny fisamborana ireo telo lahy voapanga izany. Nantenaina Heriot Hordia, ny mpitory tamin’ity fiampangana voalohany ity. Saingy tsy tonga nanatrika ny fotoam-pitsarana izy. Vokany, afaka madiodio noho ny fisalasalana io voapanga io nandritra ny famoahana ny valin’ny didim-pitsarana.
Maty anaka sy very vola
Ankoatra izay, nisy ny antontan-taratasin’ady laharana faha-131-Toa/23-194-RP/23, nanenjehan’ny fitsarana azy telo lahy ireo ihany. Voampanga nanao fanafihana mitam-piadiana tamin’ny mpandraharaha misehatra eo amin’ny vokatra jirofo tany Tanamakoa, ny 13 janoary 2023 lasa teo, tokony ho tamin’ny 5 ora tolakandro izy ireo. Vokany, maty nandritra izany ny zanak’ilay mpandraharaha raha toa ka naratra mafy kosa ity mpandraharaha ity. Naharitra ora telo ny fitsarana sy ny fifandaharana teo amin’izy ireo sy ny mpitory ary ny fitsarana. Izay nanomboka tamin’ny 5 ora hatramin’ny 8 ora sy 30 minitra alina. Tonga nanatrika izany ny mpitory, Rajoro Roger. “Niditra an-keriny tao an-tranony ireo jiolahy ireo ka nitifitra ny zanany sy mpandraharaha iray naka vola vidin’ny jirofony tao amiko”, hoy ny mpitory nandritra izany. Maro ny fanontaniana avy amin’ny mpisolovava niaro ny voampanga sy avy amin’ny mpitsara mpamoaka didy, izay niantefa tamin’ny mpitory. Marihina fa tsy naka mpisolovava izy noho ny fahatokisan-tenany tamin’ny zavatra niainany sy hitany.
Niely ny feo ny mety nisian’ny volabe nihodina
Nandritra ny fisamborana io voapanga, Zafindramanana Stelanony Rudi, io. Niely ny feo fa mety ho nisy volabe nihodina tetsy sy teroa hanavotany ny tenany eo anatrehan’ny fitsarana. Niezaka niresaka izany ny tambajotran-tserasera maro isan-karazany. Mba tsy hahavotsotra azy io. Tsiahivina fa mpiasa eo anivon’ny Vondrona mpamonjy voina ao amin’ny seranantsambon’ i Toamasina izy io. Somary nisamboaravoara ihany ny teo anivon’ny fitsarana tamin’izany. Afaka madiodio noho ny fisalasalana ihany koa izy tamin’io fiampangana faharoa io. Ankoatra izay, ny antotan-taratasin’ ady fahatelo mahakasika an’ireo voapanga ireo ihany. Rasoamalala Lucienne no mpitory teto. Voapanga ho namorona fikambanan-jiolahy sy fanafihana mitam-piadiana izy tamin’izany. Fa saingy nafahin’ny fitsarana ihany koa.
Hampiakatra sampam-pitsarana fandravana didy
Nahasarika olona maro ny fitsarana ireo raharaha ireo tany Toamasina. Taitra sy nalahelo avokoa iroe olona tonga nanatrika izany noho ny valim-pitsarana navoakan’ny teo anivon’ny fitsarana. Nilaza ny hampiakatra ny raharaha eny anivon’ny sampam-pitsarana fandravana didy ny mpitory satria tsy afa-po tamin’ny valin’ny didy navoakan’ny fitsarana. Ankoatra izay, tsy mankasitraka ny didy ny olona noho ny tsy fandriampahalemana any Toamasina. Nilaza izy ireo fa lasa manome vahana ny mpanao ratsy ireny didy ireny. “Efa nahiko hatramin’ny fiandohan’ny fitsarana ireny didy nivoaka ireny. Mety mihitsy ny ataon’ny polisy ny amin’ny fitifirana ny jiolahy fa tsy atokisana ny mpitsara sasany eto amin’ny firenena”, hoy ireo olona nanatri-maso ny fotoam-pitsarana.
Nanatontosa : Sajo