Mitohy ny fihaonan’ny eo anivon’ny iraky ny Sadc amin’ireo mpisehatra politika sy ireo lehiben’Andrimpanjakana. Anisan’ny nihaona tamin’izy ireo ny filohan’ny HCC, Rakotoariso Florent, tamin’ity herinandro ity.
“Tonga eto izy ireo mijery ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana ary koa ny hanatsarana izany. Eo koa ny tombana nataon’izy ireo manoloana ny fanitsiana tokony hampiharina tamin’ireo fifidianana teo aloha : filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka ny taona 2018-2019”, hoy izy. Nambarany fa tanjona ny ahatongavana amin’ny fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra.
Nambaran’ny lehibe mpitarika ny iraky ny Sadc, i Justice Ticheme Dlamini fa anisan’ny anton-dian’izy ireo ny fihaonana amin’ny mpisehatra politika rehetra. Na ny mpomba ny fitondrana na koa ireo avy amin’ny fanoherana. “Anaovanay tombana avokoa izany ahitana taratra ny fifandraisan’izany amin’ny demokrasia. Hojerena avy amin’ireo fihaonana ireo ny tsoakevitra ahafahana mahita ny fipetraky ny toe-draharaha politika sy ny filaminana ary ny fitoniana”, hoy izy.
Handray fepetra ny Sadc
Nanteriny fa miainga amin’izany no ahitana taratra ny ahafahana miroso amin’ny fifidianana. Nohitsiny koa anefa fa handray fepetra ny eo anivon’ny Sadc raha tsy araka ny tokony ho izy ireo voalaza ireo. Tsy nambarany kosa anefa izany fanapahan-kevitra mety horaisina izany. Hitohy amin’ny fihaonana amin’ireo mpiara-miombona antoka teknika sy ara-bola (PTF), anisan’ny tafiditra amin’ny fanomanana sy fikarakarana fifidianana koa ireto iraka ireto.
Tsiahivina fa efa ho herinandro izao no eto amintsika izy ireo. Efa nihaona tamin’ny HVM sy ny Tim ary ny RMDM. Teo koa ny fihaonan’ny Sadc tamin’ny Ceni.
Synèse R.