Aretina VIH/ SIDA : mifindra amin’ny olona maro noho ny tsy fitandreman-tena

Nankalazaina oma­ly 1 desambra, ny Andro ma­neran-tany natokan’ny Fire­nena mikambana hiadina amin’ny tsimokaretina VIH/Sida. Ani­san’ ny nankalaza iza­ny ny teto Mada­gasikara.

Olana govana mbola sedrain’ny olona ma­neran-tany ary mbola tsy ahitana fanafody manasitrana ny tsimokaretina Vih/ Sida. Olona maherin’ny 39 tapitrisa maneran-tany, ireo miara-miaina amin’ny tsimokaretina tamin’ny fiafaran’ny taona 2022. Hita amin’ny firenena afrikanina avokoa ny 25,6 tapitrisa amin’ireo, raha ny tatitra navoakan’ny OMS (Organisation mondiale de la Santé). Olona 630 000 no fantatra fa matin’ny VIH/Sida, raha ny tatitra voaray hatrany.
Raha ho an’i Madagasi­kara manokana, miha mirongatra izany. Nanomboka nahitana ny tsimokaretina Vih/Sida voalohany indrindra teto Madagasikara ny taona 1987. Nitondra ny tsimokaretina ny 0,3% amin’ny mponina teto Madagasikara tamin’ny efa-taona lasa. Niakatra ho 0,4 % izany tamin’ny taona 2022. Heverina mbola hitombo izany antontanisa izany amin’ity taona 2023 ity. Mihatanora ireo mitondra izany satria manodidina ny 15 hatramin’ny 34 taona ny ankamaroan’ireo olona mitondra izany. 10 835 ny olona nahitana io trangan’aretina io. Anisan’ny nahitana ny taha ambony indrindra mahakasika izany, ny distrika dimy manerana ny Nosy. Anisan’izany, ny eto Anta­nanarivo Renivohitra, Toa­ma­sina I, Mahajanga I, Ambilobe ary Antsiranana I. Fantatra fa manaraka ny fitsaboana amin’izy ireo, ny 13 578, raha ny salanisa navoakan’ny ONUSIDA.

Aretina vokatry ny fidiran’ny tsimokaretina VIH

« Syndrome de l’immunodéficience acquise » ny fanalavana ny teny hoe Sida. Aretina vokatry ny fidiran’ny tsimokaretina VIH ao amin’ny vatan’olombelona izy io. Antsoina hoe Virus de l’immunodéficience humaine (VIH) izany. Tsimokaretina mamotika ny hery fiarovana ao amin’ny vatan’ny olombelona rehefa mararin’ny Sida ny olona iray. Hatramin’izao, tsy mbola misy fanafody mahasitrana azy io tanteraka maneran-tany fa ny fanakanana azy tsy hiparitaka amin’ny vatana ary hifindra amin’ny hafa ny ezaka ataon’ny tomponandraikitra. Ezaka atao ny hamongotra ny tsimokaretina hatramin’ny taona 2030. Tanjona hapetraka ny hahavitan’ny 95% amin’ny mponina fitiliana mahakasika ny tsimokaretina VIH/Sida eto amin’ny Nosy. Sy hanarahan’ireo mitondra ny tsimokaretina ny tolotra ara-pahasalamana sahaza azy ireo. Mba tsy hamindrana ny aretina any amin’ny hafa .

Antony mahatonga ny tsimokaretina

Heverina fa anisan’ny mahatonga ny firongatry ny tsimokaretina eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny fiarovantenan’ny tsirairay. Ankoatra izay, sakana amin’ny ady amin’ny tsimokaretina ny tsy mbola fiankinan-doha amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany.

????????????????????????????????????

Afaka miaina toy ny olon-drehetra ihany ny marary

Raha ny fantatra, ny 20 % amin’ireo mitondra ny tsimokaretina ihany no manaraka fitsaboana. “Tsy hita ao anatin’ny ra intsony ny tsimokaretina fa matory rehefa mahazo fitsaboana ireo olona ireo”, hoy ny Dr Rarivoharilala Esther. Nilaza ny mpitsabo fa afaka miaina toy ny olon-drehetra ihany ny olona mitondra ny tsimokaretina. Mirongatra ny aretina raha toa ka manajanona ny fihinana fanafody izy ireo.
Mifindra amin’ny alalan’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro sy amin’ny alalan’ny fifampikasohan’ny rà ny VIH/Sida. Mety mamindra amin’ny zanany ao an-kibon’ny reny ihany koa ny tsimokaretina, raha tsy mihinana fanafody izy. “Fiarovana amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina ny fiarovan-tenan’ny tsirairay amin’ny alalan’ny fampiasana ny kapaoty. Eo koa ny fijanonana amin’ny vady iray ihany. Ary ny fihinana fanafody ho an’ny marary”, hoy hatrany izy. Nanambara izy fa mbola omena maimaimpoana avokoa ny fanafody ARV, izay raisina eny amin’ny tobim-pahasalamana eto Madagasikara.
Tsy maintsy entanina ny olona vao hanaovana fitiliana. Ho an’ny faritra Analamanga sy Toliara manokana, nahatratra 800 ireo nanaovan’izy ireo fanentanana, nandritra ny herinandro iraisam-pirenena natokana nanaovana fitiliana ny 20 – 27 Novambra lasa teo. 1 359 ny olona nanaovana fitiliana nandritra io fotoana io. 95 amin’ireo mbola tsy voafaritra mazava tsara ho mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida (cas réactif).

Nanatontosa : Mino

Partager sur: