Indostria eto Madagasikara : Ezaka vaovao hampandrosoana ny toekarena ny ODOF

Imasoana ny fametrahana indostria eto amintsika. Tafa­pe­traka ny Filan­kevitra nasionaly ho an’ny indostria eto Mada­ga­sikara (CNIM), tamin’ ny 20 novambra teo, tao amin’ny Econo­mic Deve­lopment Bo­ard of Mada­gas­car (EDBM). Lany ho filoha Rasoa­manana Chris­tian. Nanokatra ny fotoana ny minisitra Ra­za­findravahy Edg­ard. Politika arahina amin’izany ny hoe distrika iray ha­norenana indostria iray na ODOF.

Dingana voalohany arahina amin’ny fanatanterahana ny One District, One Factory (ODOF) ny fifanekena eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, ny fametrahana ny Conseil national pour l’industrie de Mada­gasikara (CNIM). Izay maharitra telo taona ny fotoam-piasana, azo havaozina. Hatra­min’ny taona 2040 ny vinavina fifaneken’ny roa tonta hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fitantanana. Eo koa ny famatsiam-bola, ny fotodrafitrasa sy ny fanofanana, mba haharaka izany ny mpiasa malagasy, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, varotra sy fanjifana, Razafindravahy Edgard.
Laharam-pahamehana ny seha-pihariana dimy, ny fandraharahana hanodinana ny vokatry ny fambolena, ny lamba, ny lohamenaka, ny harena an-kibon’ny tany, ary ny famokarana angovo azo avaozina. Hanao tatitra ho fanatanterahana ny fifanekena ny CNIM isaky ny enim-bolana.
Azo lazaina fa tsy zava-baovao eo amin’ny sehatra indostrialy eto Madagasikara ireo sehatra ireo. Tany Mahajanga tamin’ny taona 70 sy 80 efa nisy orinasa mpanao lamba ( Sotema). Nisy orinasa mpanao simenitra tao Am­boanio, mpanao siramamy tany Namakia, mpanao menaka tao Mahajanga …Atao hifandraika amin’ny filan’ny mponina isaky ny distrika ny ODOF. Any Antsiranana, tsara velomina ny Société d’études, de construction et de réparation navales (Secren) orinasa mandalo fotoan-tsarotra ankehitriny, mpanamboatra sambo aty amin’ny faritra. Tsy mbola nihoatra ny 12,5 % amin’ny harinkarena faobe (PIB) ny anjara nentin’ny indostria teto Madagasikara, raha ny fanadihadiana nataon’ny Centre de recherches, d’études et d’appui à l’analyse économique à Madagasacar (Cream).

Noho Ambatovy sy QMM
Vahiny mpampiasa vola be indrindra nanomboka ny taona 2011, ry zareo avy any France, Maurice, USA, Canada, Royaume-Uni, ary Chine. 90 % amin’ny vola nampiasana avy any ivelany an’ireo vahiny ireo na IDE ( Investissements directs des étrangers), 450 miliara Ar, ary saika amin’ny faritra Anala­manga, Atsinanana (Amba­tovy) sy Anôsy ( QMM).
Anisan’ny sehatra be mpitrandaka indrindra, ny harena an-kibon’ny tany, zavatra vita amin’ny akora simika ary fanafody. Raha mahazo vahana ny indostria dia noho ny tetikasa Ambatovy sy QMM.

Voafidy tamin’ny AGOA i Madagasikara, ny taona 2000
Nalaza teto Madagasikara ny faritra afaka haba. 20 % ihany ny an’ny Malagasy amin’ireo. Mba nahazo hery ny faritra afaka haba, rehefa voafidy tao amin’ny African Growth and Opportunity Act (AGOA) i Madagasikara ny taona 2000. Natevina kosa ny trosa taty amin’ny tany afrikanina. Voatery nampihatra politika fanitsiana ara-drafitra nampanaovin’ny mpamatsy vola (FMI) ho fanatsarana ny varotra ivelany. Nandritra ny taona 2000, ny fanatontololoana takin’ny toekarena maneran-tany, tsy nahafahan’ny firenena afrikanina nisedra ny fisondrotry ny vidin’ny vokatry ny fambolena. Toy ny foto-tsakafo, ny angovo… Eto Madagasikara, samy nanana ny nampiavaka azy rahateo ny fitondrana momba ny politika indostrialy.

Efa nampiharina teto ny politika indostrialy

Natao teo anelanelan’ny 1992-2003 ny Document cadre de politique économique (DCPE) sy ny Document de stratégie de réduction de la pauvreté (DSRP). Natao hanomezan-toerana ny sehatra tsy miankina, hampandrosoana ny toekarena. Hifanarahana amin’ny vahiny mpampiasa vola mandritra ny 99 taona ho an’ny indostria. Tsy hita taratra ny indostria nifantoka amin’ny tsena anatiny. Hita ny lesoka ka nitodika tamin’ny fambolena sy fiompiana, ary ny fanorenana, saingy mbola niandrasana ny Organisation des Nations-Unies pour le développement industriel (ONUDI). Nanamafy ny politika indostrialy ny Madagascar Action Plan (MAP) tamin’ny 2007.
« Mametraka ny sehatra indostrialy ho fototry ny fampandrosoana, noho ireo fananany harena voajanahary samihafa, i Madagasikara. Tsapa fa tsy mamokatra maro fa manafatra. Ambany ny fahefa-mividin’ny vahoaka. Tapa-kevitra ny governemanta malagasy hametraka indostria madinika isaky ny faritra avy amin’ilay fandaharanasa ODOF. Fanamby ny hampitombo avo roa heny ny anjaran’ny indostria ao anatin’ny harinkarena faobe. Izay 15 % ankehitriny ho lasa 30 % rehefa manakaiky ny taona 2040. Omena toerana manokana, ny fanodinana vokatry ny fambolena sy harena an-kibon’ny tany, famokarana angovo. Raisinay lesona eto koa ny traikefan’ny firenena sasany amin’ny ady atao amin’ny fahantrana, iaraha-miasa amin’ny ONUDI », hoy ny minisitry ny Indostria, ny varotra sy fanjifana, Razafindravahy Edgard, nandritra ny fanatanterahan’ny Firenena mikambana ho fampandrosoana ny indostria (ONUDI) tany Vienne, ny 27 novambra ka hatramin’ny 1 desambra 2023.

Nanatontosa : R. Mathieu

Partager sur: