Nofatorana hanondro ny mpanambola : fanafihana hafahafa teny Ambatomirahavavy

Indray lasibatry ny jiolahy ny fianakaviana efatra. Nifandimbiasana nofatorana sy no­terena, ary nasaina nanatitra tany amin’ny mpanam­bola ireo lasibatra. Tanàna roa tao amin’ny fo­kon­tany Ambo­hi­manandray, kaominina Ambato­mirahavavy no nanamparany ny asa ratsiny, ny alin’ny sabotsy 9 de­sambra teo. Voa­roba ny vola an-tapitrisa sy ny firavaka. Tokan­trano efatra nase­sin’ny dahalo.

Dahalo dimy lahy nitam-piadiana, nanafika ny tanànan’Antanetikely sy Miadapoana tao Am­batomirahavavy, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nisy nisaron-tava ireo olon-dratsy niditra tao amin’ny tokantrano voalohany tao Antanetikely tamin’ny 9 ora sy sasany alina. Nambanan’izy ireo basy ny tompon-trano. Notereny hamoaka ny vola sy ny zavatra sarobidy rehetra. “Tsy nisy nanafina endrika ireo mpandroba ireo”, hoy ny lefitry ny ben’ny Tanàna an’Ambato­mirahavavy, Razafindramady Norbert. Nifindra nivoaka tamin’ny tokantrano iray hafa tsy lavitra teo indray izy ireo. Lasa ny vola mitentina 400 000 Ar niampy finday.

Takalon’aina…

Rehefa nifindra hihazo ny tanànan’i Miadapoana, nofatoran’ireo dahalo ny tovolahy iray avy ao amin’io tokantrano roa voalohany norobainy io. Noteren’ireo mpangalatra ni­tondra azy ireo tamin’izay tokantrano manam-bola io tovolahy io. Notaritaritin’ireo dahalo ireo, araka izany, izy niala teny amin’ny tanànan’ Antanetikely nihazo an’i Mia­dapoana. “Navotsitra io tovolahy io rehefa tonga teto amin’ny tanànanay izy ireo”, hoy ny solontenan’ny fokonolona, natao fanadihadiana. Tsy sahy nikorontana noho ny tahotra ny fokonolona anefa ireo olon-dratsy fa nanery moramora ireo tompon-trano norobainy hamoaka ny vola.

Nambanana antsy
teo an-tenda…

Nodakan’ireo tsy mataho-tody ny varavarana, tafiditra tao amin’ny trano iray ao Miadapoana indray izy ireo, io sabotsy io ihany tamin’ny 11 ora alina. Tsy nahahetsika ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany vavikely. Nambanana antsy teo an-tenda izy mi­anaka rehefa nilaza ho tsy nanam-bola. Tetsy ankilany, tao an’efitra ambadika ny ray aman-drenibe izay nitana ny vola. Noteren’ireo dahalo hamoaka ny vola izy mivady lehibe izay samy efa nahazo taona. “Vola 50 tapitrisa Ar no notakin’ireo dahalo taminay”, hoy Razanamiary Denise, renim-pianakaviana lasibatra. Tsy nanana afa-tsy 900 000 Ar nokasaina hividianana omby anefa izy mivady lehibe ka nanome ny vola ireo dahalo. Nendahin’ireto farany koa ny peratra mariazy sy firavaka sarobidy rehetra niaraka amin’ny ordinatera iray.

Vola 10 000 Ar sy finday enina

Tsy nionona tamin’ny fahazoana ny vola an’hetsiny tao amin’izy mivady lehibe ireo dahalo. Nentiny nivoaka ny trano indray ilay vehivavy zanak’izy mivady ary nasain’ireo mpandroba nitondra azy tamin’ny tokantrano hafa. “Zanakay ihany anefa no mipetraka akaiky eto”, hoy hatrany Razanamiary Denise. Nentin’ny tahotra, ny tranon’io zokiny ihany no natoron’io vehivavy io ireo dahalo. Nihanika lavarangana ny roa lahy ary tafiditra tao amin’ilay tokantrano nifanila tamin’io tranon’izy mivady lehibe io. “Vola 10 000 Ar sy finday enina no lasan’izy dimy lahy tao amin’io zanakay io”, hoy ny fanamafisan’io renim-pianakaviana io.

Saika voaolana…

Tezitra tamin’ilay vehivavy nanoro ny tokantrano noho ny tsy fisiam-bola tao ireo dahalo. “Sanatria ny vava efa saika naolan’ ilay iray ny zanako fa mbola nanakana ilay lehiben’izy ireo”, hoy ny raim-pianakiana, Ratsimiratra Régis, vadin-dramatoa Denise. Nirohotra nandositra ny tanàna ireo dahalo ireo rehefa nahazo ny vola rehetra sy ny firavaka sarobidy. Nipararetran’ny tahotra ireo tokantrano lasibatra ka niandry ny andro ho maraina nanatonana ny mpitandro filaminana.

Mandry an-driran’antsy ny mponina

Nanamafy ny lefitry ny ben’ny Tanàna fa somary nahazo vahana ny asan-jiolahy tao amin’ny tanàna sasantsasany ao Amba­tomirahavavy tato ho ato. “Mandry tsy lavo loha izahay amin’izao fotoana satria lavitra mpitandro filaminana ary izahay atody miady amam-bato”, hoy ny solontenan’ny fokonolona ao an-toerana. Any Am­batomirahavavy sy miala kilaometatra ny ta­nà­nan’ Antanetikely sy i Mia­dapoana vao misy ny biraon’ny zandary. “Mangata­ka amin’ny fitondram-panjakana mahefa izahay mba hanorenana paositry ny zandary ety an-tanàna”, hoy Ra­tsimiratra Régis. “Manana tanim-pokonolona izahay ety ary afaka hananganana tsara biraon’ny zandary izany”, hoy hatrany izy.

Vanim-potoana mampirongatra ny dahalo

Nanamafy ny mponina ao amin’ny tanànan’Ambohima­nandray fa fotoana mampirongatra ny asan-dahalo ny vanim-potoana fahavaratra. “Reraka avy manetsa eny an-tsaha ny ankamaroan’ny tantsaha ka renoky ny torimaso rehefa alina”, hoy ny solontenan’ny fokonolona natao fanadihadiana. Manararaotra miakatra an-tanàna, noho izany, ireo dahalo ary mandroba. Herintaona lasa, norobain’ny dahalo ny omby tao amin’ny zanaky Ratsimiratra Régis. Tsy mijanona amin’ny halatr’omby intsony kosa ireo dahalo ankehitriny fa maka izay rehetra azo avadika ho vola ao an-tokantrano.
Miara-miasa ny kaominina sy ny zandary…

Ny volana oktobra lasa teo no nitrangana asan-dahalo farany teny amin’ny manodidina an’Ambatomirahavavy. “Lasan’ny dahalo ny omby miisa telo tamin’io fotoana io”, hoy ny nambaran’ny lefitry ny ben’ny Tanàna ao an-toerana, Razafindramady Norbert. Nankasitraka manokana ny fandraisana andraikitry ny zandarimaria sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta kosa ny kaominina ao an-toerana. Nanamafy ity lefitry ny ben’ny Tanàna ity fa manao ny ainy tsy ho zavatra manoloana ny ady amin’ireo olon-dratsy. Andaniny, nanentana ny fokonolona hiray hina hatrany sy ho malina ity lefitry ny ben’ny Tanàna ity.

Andrimasom- pokonolona…

Manoloana io tranga io, niara-nientana ny fokonolona sy ny zandary ao an-toerana amin’ny fanamafisana ny fi­ambenana ny tanàna amin’izao fotoana izao. Navorin’ny lehiben’ny zandary ao an-toerana ny fokonolona hahay hiara-hientana sy hanao an­drimaso ny tanàna ho an’ny omaly. Manahy amin’ny fisian’ny mpiray tsikombakomba amin’ireo dahalo ao an-tanàna ny solontenan’ny fokonolona. “Tsy ahay mihitsy ireo olon-dratsy hoe aiza no misy vola raha tsy misy manome loharanom-baovao”, araka ny nambaran’ny lefitry ny ben’ny Tanàna ao Ambatomi­ra­ha­vavy. Ankoatr’io, efa misokatra ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo nahavanon-doza nanao ny fandrobana ho an’ny eo anivon’ny zandarimaria ao an-toerana. Raha tsiahivina, vao ny volana novambra teo no nitrangana asan-jiolahy nihatra tamina zandary iray teny Ambato­mirahavavy.

Nanatontosa : Tsiferana
Sary : Mamiherison

Partager sur: