Ankazobe : mitsoaka amin’ny distrika manodidina ireo mpaka an-keriny

Mandositra miala amin’ny tananan’Ankazobe avokoa ireo dahalo taorian’ny fanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ataon’ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Manao tongotra an-katoka mihazo an’i Fenoarivobe hatrany Anjozorobe izy ireny, araka ny nambaran’ny solontenan’ny mponina. Manoloana ny trangana fakana an-keriny niseholany tao amin’io distrikan’Ankazobe io, nisy ny fidinana ifotony nataon’ny teo anivon’ny Emmonat ny faran’ny herinandro teo. Nijery ifotony ny toe-draharaha ny lehiben’ny ZDS Ikopa sy ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, notronin’ireo mpiara-miasa aminy. Nilatsaka ny baiko fa tsy maintsy miala anatin’ny 48 ora ny kaomandin’ny kaompania ao Ankazobe. Efa nivoaka ihany koa ny anaran’ny mpisolo toerana vaovao hisolo azy. Zandary roa voasaringotra, araka ny angom-baovao, zandary roa lahy voasaringotra ho anisan’ny mpiray tsikombakomba amin’ireo tambajotran-jiolahy mpaka an-keriny ho an’ny ao Ankazobe. Raha tsiahivina, matory eny an-tsaha mihitsy ny mponina ny herinandro lasa teo, tao amin’ny kaominina iray ao an-toerana, noho ny tahotra ireo olon-dratsy. Mandefa taratasy herinandro mialohan’ny hidirana ny tanàna ireo dahalo. Manahy ny ain’ny havany sy ny hiverenan’ireo dahalo ao aminy, manao fifanarahana miafina tsy fantatry ny mpitandro filaminana ireo fianakaviana lasibatra sy ny jiolahy. “Aleonay mandoa vola dia avotra ny havanay toy izay hampandre zandary kanefa mety hiverenan’ireo mpaka an-keriny tampoka amin’ny fotoana tsy ampoizina”, hoy ny solontenan’ny fianakaviana efa lasibatra. Etsy ankilany, mampirongatra tanteraka ny asa fakana an-keriny io firaisana tendro ataon’ny fokonolona amin’ny jiolahy io, araka ny nambaran’ny zandary. Mitohy hatrany anefa ny ady amin’ny famongorona ireo mpaka an-keriny, indrindra ho an’ny ao Ankazobe sy ny manodidina izay voasokajy ho faritra mena.

Partager sur: