Akany Fanarenana : fanabeazana ny zazalahy latsaky ny 18 taona nandika lalàna

Betsaka ireo toe­rana fandraisana ankizy mandika lalàna eny ani­von’ny fiaraha­monina eto Mada­gasikara. Man­dray an-tanana azy ireny ny tena andraikitry ny ivontoerana amin’ ny ankapobeny.

Fitaizana zaza maditra ny fiantso ny Akany tamin’ ny andro fahiny. Fitai­zana ireo ankizy tsy ampy taona izay manana olana amin’ ny fandikan-dalàna no fiantso izany ankehitriny. Misy kara­zany ny antony mahatonga ny ankizy tazonina eny anivon’ ireny ivontoerana ireny, raha ny fanadihadiana natao. Misy ireo ankizy nanao fihetsika tsy mifanaraka amin’ny fiarahamonina, indrindra ny teo anivon’ny tokantrano nisy azy. Ankoatra izay ny ankizy mandika lalàna toy ny manao asa fangalarana, fanolanana, famonoana olona…Misy ihany koa ireo zaza marefo tandindonin-doza eny anivon’ny fiarahamonina. “Ny ankama­roan’ny ankizy taizaina sy beazina eny, ankizy tsy nangalatra fa ireo manana olana eny anivon’ny fiarahamonina. Toy ny zanaky ny lalana, zanaky ny voafonja, zaza nirenireny teny an-dalana”, hoy ny fanazavan’ny mpanabe iray eny an-toerana. 33 ny isan’izy ireo eo anivon’ny akany.
Manitsy sy mitaiza ary manabe ara-panahy, ara-
batana, ara-tsaina ny ankizy no tena anjara andraikitry ny ivontoerana, raha ny fanazavana hatrany. Anisan’ny mandray an-tanana ireny ankizy ireny ny Akany Fanarenana eny Mandrosoa Anosiala. Izay vao nankalaza ny faha-120 taona nijoroany, ny talata lasa teo. Amin’ny ankapobeny, 78 ireo ankizy taizaina sy beazina eny, ankehitriny. Raha toa ka 80 ny fetra tokony ho zakany. “Zazalahy 9 hatramin’ny 18 taona avokoa no tazaina eny anivon’ity ivontoerana ity amin’ izao fotoana izao. Mbola misy ny kely indrindra raha ilaina ny fametrahana azy eny”, hoy Razanatsimba Lalaina, talen’ ny akany Fanarenana.
Mitantana ny akany sy mandrindra ny asa amin’ny ankapobeny ary miambina ny ankizy sy ny akany ny mpandraharahan’ny fonja. Misy ny fiaraha-miasa amin’ ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy amin’ny lafiny maro. Mba hahatontosa ny fanabeazana sy fitaizana ireo zaza. Tanjona ny hanarina ny ankizy sy hanomanana ny fiverenan’ izy ireo eny anivon’ny fiarahamonina indray. Ao anatin’ny fanajana tanteraka ny zo maha olona sy ny zon’ny ankizy azy ireo.

Tazomina 3 volana farafahakeliny

Miankina amin’ny didy navoakan’ny mpitsara azy ireo tsirairay avy ny fe-potoana hitazomana azy ireo eny anivon’ny ivontoerana. Napetraka ny fe-potoana 3 volana farafahakeliny ho an’ireo ankizy nanao fihetsika tsy mifanaraka amin’ny fiarahamonina “cas social”. Ny fanarahana ny lalàna sy ny didim-pitsarana kosa izany ho an’ny “cas penal”. Mba hahafahana manarina ireo ankizy hiala amin’ny heloka sy ny fihetsika nataony.

Asa fanabeazana

Tsy natao hampihatra ny lalàna fotsiny ihany ny mpi­tsara fa andraikitr’izy ireo ny manao fanabeazana ny ankizy ara-panahy sy ara-batana ary ara-tsaina. Efa lasa olom-banona ary mitazona andrai­kitra ambony eto amin’ny firenena ny ankamaroan’ny an­kizy notazaina tamin’ireny. Tsy mitovy amin’ny fitazomana olon-dehibe velively ny fitazomana ny ankizy tsy ampy taona. Mahita ny fitsarana fa mbola azo harenina tsara ny ankizy manao heloka ka an­tony handefasana azy ireo eny anivon’ny akany. Noho izany, mbola mitohy ny fisitrahany ny zony. Toy ny fianarana, fanatanterahana ny fanadinam-panjakana, ny fakana traikefa isan-karazany. Anisan’izany, ny taon-trano, fambolena, tao-vy, fanamboarana fiara, fiom­piana… Misy toerana nato­kana hialan’izy ireo voly sy hanaovana fanatanjahantena ihany koa eny an-toerana.

????????????????????????????????????

Aterin’ny ray aman-dreny ny zaza rehefa maditra loatra

Tsy maintsy mandalo mpitsara avokoa ny ankizy vao aterina eny anivon’ny akany, amin’ny alalan’ny taratasy fametrahana vonjimaika. Efa nisy ny nalain’ny ray aman-dreny ny zaza rehefa hitan’izy ireo ny fiovana. Mandritra ny famangiana ny zaza isan-kerinandro.
Misy kosa ireo ray aman-dreny tsy mipoitra mamangy ny zanany mihitsy. “Tadiavina mihitsy izy ireo rehefa tapitra ny fe-potoana hitazomana azy ireo eny an-toerana”, raha ny fanazavana hatrany. Misy ny manana ny ampy fa maditra
loatra ny zaza dia tsy maintsy aterin’ny ray aman-dreny eny amin’ny akany. Ankoatra izay, misy tamin’ireo ankizy no nandositra fa tratra teny ivelany tamin’ny taon-dasa. Iray andro ihany dia efa hita izy ireo amin’ny maha zaza azy, raha ny fanazavana hatrany. Voafehy tsara kosa izany tamin’ity taona ity.

Nandalo dingana maro ny Akany Fanarenana
Niorina tamin’ny taona 1903 ny Akany. Nampiasaina nandraisana ireo zanaky ny voaantso izy io tamin’izany fotoana izany. Teo ihany koa ny fandraisana ireo vehivavy tany Antanimora noho ny haintrano nihatra tamin’ny fonja. Ny famonjana ireo mpitari-tolona sy mahery fon’ny firenena tamin’ny fotoanan’ny fanjanahantany. Lasa ho akany fanabeazana kosa izy io, tamin’ny 1960. Tamin’ny alalan’ny didy laharana 60- 376, ny 29 Septambra 1960, nametraka ny didy fandrindrana sy fitantana ny akany eny an-toerana.
“Mifantoka kokoa amin’ny fanabeazana ny politikan’ny minisitera. Tsy ny fanitarana ny fotodrafitrasa no tena zava-dehibe fa ny fifantohana kokoa amin’ny fanabeazana atao amin’ny ankizy. Mba tsy ho betsaka ny ankizy ho tafiditra amin’ny akany fitaizana”, hoy ny tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja, Ralisaona Arsène.

Nanatontosa Mino
(Sary Fanou)

Partager sur: