Asa eny anivon’ny haino vaky jery : manabe ny maha olona iray manontolo ary mampandroso ny firenena

Mihevitra ny ankamaroan’ny olona fa mitana andraikitra goavana sy te­na miasa ary he­rin’ny haino va­ky jery anankiray ny mpanao gazety, ra­ha ny fanadihadiana natao. Voa­ka­sik’izany, ny ton­­tolon’ny radio sy ny fahitalavitra, raha ny fanehoan-kevitr’izy ireo hatrany.

«Ampahany kely fotsiny ny anjara toeran’izy ireny eny anivon’ireny karazana haino vaky jery misy eto amin’ny firenena ireny », hoy Flavien Rakotoarison, raha nanontaniana. Nilaza izy fa manodidina ny 30 mn hatramin’ny adiny iray eo ny anjaran’izy ireny amin’ny ankapobeny. Izay miseho amin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao. Noha­ma­fisiny hatrany fa mameno ny asa eny anivon’ny serasera rehetra ny mpanentana sy mpanamasaka fandaharana. Maharitra hatramin’ny ora 5 na 6 ao anaty ny radio na fahitalavitra iray ny olona misehatra amin’izany. Mitana toerana betsaka eo amin’ny fanabeazana ny olon-drehetra ny fanentanana sy fanamasahana fandaharana ary ny fampahalalam-baovao eny anivon’ny haino vaky jery amin’ny ankapobeny, raha ny fanazavany hatrany. Tokony ho azon’ny olona ihany koa ny tombontsoa amin’ny maha olona iray manontolo. Eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-panahy ary ara-tsaina izany. Mitana toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny firenena iray manontolo ihany koa izany. Azo lazaina, araka izany, fa asa masina sy sarobidy ireo asa eny anivon’ny haino vaky jery. Manome fahafaham-po ny olona aman-tapitrisany eto amin’ny firenena ny fandaharana sy ny vaovao arosony. Voakasik’izany avokoa na ny radio na ny fahitalavitra na ny gazety. “Raha milaza ny marina ny mpiasan’ny haino vaky jery iray, mahazo vaovao marina avokoa ny olona nandre na mamaky izany”, hoy hatrany izy. Nan­dray vaovao diso kosa izy ireny raha toa ka diso ny narosony. Ankoatra izay, natao ho filamatra ny asan’ny haino vaky jery ka tokony hilaza ny zavatra marina hatrany. Mba ho tombontsoan’ny firenena sy ny vahoaka ao aminy.

Azo tendrena araka ny talentany ny olona iray
Misy fandrindrana asa ao anatin’ny radio na fahitalavitra iray. Azo atao ny manendry ny olona iray hisehatra ao amin’ny asa mifandraika amin’ny talentany sy ny traikefany ary ny mari-pahaizana izay ananany. Raha mahakasika ny asa fanaovan-gazety, natokana ho an’ireo olona mahay miteny, mampita hafatra sy vaovao avy eto an-toerana na avy any ivelany tsara amin’ny mpihaino sy ny mpijery izany. Amin’ny ankapobeny, ny zava-misy eto sy ny ankehitriny no tena imasoan’ny mpanao gazety. Raha ho an’ny asa fanentanana indray, ilaina ny fahaizana milaza sy mitantara ny zavatra niseho tany aloha na eo amin’ny firenena iray. Mahay mamelabelatra sy mamakafaka ny zava-misy ankehitriny ary azo hitarina amin’ny fomba fijery amin’ny ho avy ihany koa.

Manova ny asa fanaovan-gazety ny fironana politika
Misy fironana ara-politika maro be eto amin’ny firenena ankehitriny ka anisan’ny hi­trangan’ny olana ny eo amin’ny asa fanaovan-gazety. Ma­tetika tohanana sy hatsarain’ny mpiasa ao anatin’ny orinasan-gazety iray ny fironana ara-politika arahiny. “Rehe­fa tsy mifanaraka amin’izay kosa dia lasa haratsiana izany”, hoy hatrany Flavien R. Nilaza izy fa lasa tsy asa fanaovan-gazety intsony ny asa amin’izay fotoana izay. Satria tsy milaza ny zava-misy marina fa samy manana ny solomaso hijereny izany. Nohamafisiny fa lasa tsy mitana ny asa fanabeazana intsony, noho izany, izy ireny.

Matetika voailika amin’ny fitadiavana loharanom-baovao

Asa iray avokoa ny ao anatin’ny haino vaky jery. Tsy natao ho an’ny rehetra ny fananana karatra. Omena karatra manokana ny mpanao gazety mba hanamora ny fifandraisany sy ny fakany vaovao any amin’ny toerana ilany izany. Misy ny karatra anatiny eo anivon’ny toeram-piasana. Misy ihany koa ny karatra omen’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), entina manao ny asa. Olana mahazo ny ankamaroan’ny mpanao gazety eto amin’ny firenena ny familafilana sy fandrirarirana ataon’ny tomponandraikitra iray amin’ny fakana loharanom-baovao. Miseho indrindra izany, eny anivon’ny orinasam-panjakana sasany eto amin’ny Nosy. “Mbola manahirana ny fitadiavana loharanom-baovao ankehitriny”, hoy hatrany izy. Matetika rehefa mitady ny zavatra marina eny anivon’ny loharanom-baovao iray, ny mpanao gazety iray voahilikilika na alefa mivezivezy na asaina miandry lava. Nilaza izy fa anisan’ny manimba ny asa fanaovan-gazety ny tranga toy izany. “Tokony hafainganin’ny tomponandraikitra eny anivon’ny orinasa iray ny fahazoan’ny mpanao gazety vaovao marina eny amin’ireny toerana ireny”, hoy hatrany ny fanazavan-dRakotoarison Flavien. Rehefa manana ny karatra mampahafantatra ny asany ny mpanao gazety iray. Tsy natao ho an’ny mpanao gazety irery ny vaovao azony, fa ho an’ny vahoaka rehetra ny anton’izany. Ankoatra izay, mila hamafisina ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta ny tsy tokony hamadihana ny vaovao azo amin’ny mpanara-baovao.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: