Nanazava ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, omaly. Niresaka mahakasika ny fifofoana ny ainy koa izy.
Anisan’ny vaovao mahaliana ny mponin’Antananarivo ny tohin’ny fifofoana ny ain’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. Nitondrany valin-teny tamin’ny mpanao gazety rahateo izany, nandritra ny fandaharana manokana notontosainy niaraka tamin’ny haino aman-jery teto an-drenivohitra, omaly. Nambarany, mila mitandrina, tsy tokony hatahotra na hikoropaka ny rehetra. Nohamafisiny fa tranga politika iny, fa tsy tena fifofoana ny ainy.
“Fanakorontana ireny kanefa tsy tokony hiditra amin’izany isika. Ny asa no mahamaika izao”, hoy izy. Nohitsiny, karazan’ny fanakanana ny asa andavanandro iny tranga iny ka aleo hadinoina. Na izany aza, nilazan’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo fa aleo handeha ny fanadihadiana. “Matoky ny polisy sy ny zandary isika ka ho hita eo ny marina”, araka ny nambarany.
Mila milamina
Nitondrany fanazavana avy eo ny momba ny hetran-trano sy tany. Nanteriny fa tsy misy mimenomenona intsony izao ny eny amin’ny boriborintany fahadimy raha 8 000 ny fitarainana voarainy. Maherin’ny 20% ireo nandoa hetra tao anatin’ny valo volana ka tsy maintsy vitaina ny boriborintany dimy hafa. Notsiahiviny fa efa 30 taona tsy nisy nanao sy nijery io ka izao nampifanarahana amin’ny lalàna izao. Napetraka ny vaomieran’ny hetra. Arakaraka ny fomba nanaovana ny trano sy ny endriny ny sandany. Ampifanarahana amin’ny habeny koa izany tamin’ny alalan’ny fampiasana «Logiciel”. Nahena arakaraka ny sokajin’ny trano ny hetra.
Niaiky ny tenany fa olana momba ny resaka hetra ny tsy fahampian’ny serasera. Ilaina ny fanentanana sy fanabeazana. “Faly ny olona fa nihena ny hetra ary mitondra anjara biriky ho fikarakarana ny tanàna. Fanapahan-kevitra politika ny nampihenana ny hetra noho ny tsy fahazakan’ny olona izany. Aleo ny manam-bola handoa hetra mba ahafahan’ny CUA miasa. Tsy mandoa hetra kosa ny fiangonana sy fanjakana ary ny sekoly miaraka amin’ny asa sosialy”, hoy izy.
Fahavonona politika
Nohamafisiny, ilaina ny fahavononana politika. Tsy voatery ho faly 100% avokoa ny olona. “Aleo ny asa handeha, hirosoana ny veliranon’ Iarivo. Amin’ny fifidianana isika mifankahita… Ekena fa sahirana ny olona, saingy tsy mety raha tsy handoa hetra daholo”, hoy izy. Lainga, hoy izy raha tsy nisy ny fiovana tao anatin’ny telo taona. Nisy asa vita sy fotodrafitrasa natao ary ny fanadiovana. “Tsy vita iray andro ny fitantanana mahomby”, hoy hatrany izy.
Momba ny fako, niaiky ny tenany, tsy ampy ny fitaovana. Mbola amin’ny faran’ny taona 2023 vao hiroso ny fiaraha-miasa amin’i Japon. “Mila 800 tapitrisa Ar isam-bolana ny volan’ny SMA”, hoy izy nanohy ny fanazavana. Anisan’izany ny solika sy karama ary ny ho an’ireo mpiara-miombona antoka, manana kamiao. “Tsy toy izao ny fako raha tsy niasa isika. Miezaka ny SMA. Eo koa ny fisondrotry ny vidin-tsolika”, hoy izy.
Natsidiny, hiara-miasa amin’ny fikambanan’ny mpivarotra ny CUA. Hifanome tanana ny roa tonta amin’ny fanomezana andraikitra azy ireo. Amin’ny alalan’ny tetikasa momba ny fako sy ny fandraofana azy no hanaovana izany.
Nanteriny hatrany, mifandray ny fako sy ny hetra. Efa nahazo fitaovana ny kaominina ary asa andavanandro io ka atao ny ezaka. “Matoky kosa anefa fa hipetraka ny tetikasa maharitra amin’ny herintaona momba ny hetra sy ny fako. Tsy ho vita ny asa raha tsy misy hetra”, hoy ny ben’ny Tanàna.
Fampidirana “Bus” maoderina
Mifandray amin’ny hetra koa ny momba ny lalana. Mila vola ny asa rehetra. Notsindriny fa efa niezaka ny CUA amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Tsy mitovy ny tamin’ny herintaona. Hojerena ny fomba fitaterana hafa. Manome asa ny tanora izao ny taxi-moto. Efa nivory ny vaomiera ahafahana mandrindra ny asan’izy ireo. Ny fanjakana efa mihevitra ny tokony hananan’izy ireo “Permis”. “Hivoaka tsy ho ela ny lalàna momba ny fampiasana ny taxi-moto”, hoy ihany izy.
Momba ny “Licence numerique”, ho an’ny taxi-ville kosa, efa nozaraina izany ary haverina ny fitsirihana azy ireo rehefa naato noho ny covid-19. Efa manaraka ny fitsirihana sy nanaovana sivana koa ireo “Bus”.
Niaiky ny tenany fa tsara ilay tetikasa “Bus” maoderina, miisa 1 000 hampidirina eto. Hanatsara ny kalitaon’ny fitaterana izany. Efa vonona ny tetikasa nefa tsy mbola misalasala ireo kaoperativa sasany. “Tsy mbola nisafidy izy ireo ary tsy mety mifanaraka. Tokony samy handray andraikitra ary samy miezaka rehefa te hanao. Aleo ataon’ny CUA rehefa tsy vonona ka hoesorina ny taxibe miisa 1000 hampidirana azy ireo ary iarahana amin’ny mpiara miombona antoka”, hoy ny ben’ny Tanàna.
Efa tsy misy resaka intsony ny fisintahan’ny CUA amin’ny tsena. Novana ny sata mifehy ny mpivarotra isorohana ny kolikoly sy ireo olana samihafa. Nambarany fa efa hisokatra ny tsena etsy Anosy. Manomboka ny fananganana ny “Box” eny Coum 67ha. “Omena fahefana hitantana fahadiovana sy fandriampahalemana ireo fikambanan’ny mpivarotra ary miara-miasa amin’ny CUA izy ireo”, hoy ihany izy.
Nohitsiny, misy toerana tsy natao hivarotana velively ka tsy azo ekena. Efa milamina ny etsy “Petite vitesse”.
Ezaka efa an-dalana ny fametrahana ny tafon’ny tsenam-boky etsy Ambohijatovo ary hivoaka ny vola hamitana azy. “Mila ezaka manokana ny eo sady vakoka. Ho vita tsy ho ela”, hoy izy.
Ny fifandraisana amin’ny MMM
Notsiahiviny fa ho kandidà amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna ny tenany.
Tsy mbola any anefa aloha izao ny resaka, araka ny nambarany. “Hiasa no iraka ataoko : fako, lalana, tsena, mpivarotra, mpivarotra….
Tsy hisy asa ho vita raha hihevitra izany sahady. Avelao handeha ny asa…”, hoy izy.
Momba ny fifandraisan’ny ben’ny Tanàna amin’ny MMM, nohamafisiny fa tena namany akaiky Andrianainarivelo Hajo mivady. Mitovy fomba fijery politika efa an-taona maro. Tsy mitovy intsony anefa izany izao, araka ny nambarany. Mijanona ho mpinamana hatrany izy ireo. Ny hevitra no miady fa tsy ny olona. Tsy manakana ny maha mpinamana izany…
Namintinany izany ny fitantanana tao anatin’ny telo taona. Tsy kivy ary mbola mitohy ny asa. Betsaka ny efa vita miaraka amin’ny ekipa, namaranany ny resadresaka, omaly
Synèse R.