Efa ho lava, naneho ny hatezerany teny an-dalambe ny mponina tetsy Ampefiloha sy Itaosy, omaly hariva. Leo ny fahatapahan-jiro matetika, nanakan-dalana mihitsy izy ireo. Tsy nionana tamin’ny fanakanan-dalana fa nandrehitra kodiarana teny amin’ny arabe izy ireo. Nataon’izy ireo hanairana ny fitondram-panjakana ity fihetsika ity. Ho an’ny tetsy Itaosy, tsy afa-nandeha ireo fiara nikasa handalo teo amin’ny Horizon. Nisiotsioka tamin’ny kiririoka, naneho ny tsy fahafaliana ireo mponin’i Bemasoandro. “Avereno ny jiro, avereno ny rano”, hoy ireo mpitokona. Fotoana vitsy taorian’ny fitokonana, tonga nandamina ny toe- draharaha ny mpitandro filaminana. Naparitaka ireo mponina nandrehitra ny kodiarana ary novonoina avokoa ny afo.
Na izany aza, nody tamin’ny hatezerana ny ankamaroan’ireo mponina ary manambana ny mbola hamerina ny fanehoany ny tsy fahafaliany.
Nihetsika koa ny tetsy Ampefiloha
Tetsy ankilany, niteraka savorovoro tetsy Ampefiloha koa ny fandrehetana kodiarana nataon’ny mponina vokatry ny fahatapahan-jiro ihany. Tao anatin’ny ora fodian’ny mpiasa, narehitr’ ireo mponina sasany ny kodiarana. Marihina fa iharan’ny fahatapahan-jiro avokoa ny ankamaroan’ireo faritra eto Antananarivo Renivohitra. Misy amin’ireo toerana sasan-tsasany no tsy mandeha hatramin’ny rano.
Tsiferana R.