Carion : tratra ny jiolahy mpangalatra lalamby

Saron’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Carion, omaly, ny jiolahy mpangalatra vy amin’ny lalamby. Nisy olona nahatsikaritra ity jiolahy ity mitondra jiro mivezivezy eo amin’ny tetezan’Andriakely ary misy fiara iray mijanona eo afovoan-dalana. Nampiahiahy ireo fokonolona teo an-tanàna izany ka nampandre ny zandary avy hatrany izy ireo. Nidina haingana teny an-toerana ny zandary, voamarina tokoa ny fisian’ilay fiara mijanona eo afovoan-dalana. Fiara Sprinter fourgon miloko manga no tazana teo fa tsy nisy olona tao anatiny. Nosamborina avy hatrany ny tovolahy iray nanatona io fiara io. Natao ny fisavana ilay fiara ka nahatrarana vy lava miisa 17 mirefy 2 metatra mahery avy. Nilaza ilay jiolahy, nandritra ny famotorana azy, fa olona valo izy ireo no niaraka nanao io halatra io. Tsy hita anefa ireo mpiray tsikombakomba aminy ireo. Nentina ao amin’ny biraon’ny zandary ilay mpangalatra niaraka tamin’ny fiara ary ireo vy halatra rehetra. Efa nampandrenesina momba ity halatra ity ny orinasa MADARAIL sy ny polisy misahana ny lalamby.

J.C

Partager sur: