Nifarana omaly, teny amin’ny Hôtel Destiny Ambohimangakely, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, Zone 4.4, taran ja Échecs. Voatazon-dRakotomaharo Fy ny anaram-boninahitra.
Nizotra araka ny tokony ho izy ny fifaninanana nandritra ny 7 andro. Mpifaninana 34 avy amin’ny firenena afrikanina 7 no tonga teto Madagasikara. Teo amin’ny sokajy lehilahy, voahosotra ho tompondaka, Rakotomaharo Fy, rehefa nahazo fandresena 7 sy ady sahala 2, tamin’ireo fihodinana 9. Isa 8/9, araka izany, no azony ka voatazony ny anaram-boninahitra, tamin’ny taona 2019.
Tafapetraka eo amin’ny laharana faharoa kosa, Andrianiaina Heritiana. Mbola Malagasy mpilalao ihany koa ny laharana fahatelo, Ranaivoarisoa Alain. Nanambara ny Maître International, Rakotomaharo Fy fa mafy avokoa ny mpifanandrina, indrindra ny Malagasy. Nisy fivoarana be, hoy izy, ireo mpilalao ary tena niakatra be ny lentan’izy ireo.
Mila ampitomboina kosa anefa ny fifaninanana, indrindra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, mba hahafahana mahazo vokatra tsara hatrany. Nambaran’i Fy, fa ilaina ny mitady ny fomba rehetra hiatrehana lalao matihanina raha te ho lasa lavitra eo amin’ny taranja Échecs.
Vitsy ny vehivavy
Raha hiverenana kosa ny vokatra teo amin’ny sokajy vehivavy, teratany kenyana, i Ndirangu Joyce Nyaruai, no nahazo ny laharana voalohany. Raharimanana Faratiana no faharoa ary mbola teratany kenyana, i Madelta Glenda, no nahazo ny fahatelo. “Tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny nandraisana ity fifaninanana ity satria afaka naka traikefa ireo Malagasy mpilalao, nahazo tombony ihany koa ny Malagasy mpandraharaha”, araka ny nambaran-dRakotomaharo Yves, Delege iraisam-pirenena, eo anivon’ny federasiona malagasin’ny lalao Échecs. Nomarihiny fa tsara ny vokatra, indrindra teo amin’ny sokajy lehilahy, satria intelo be izao i Madagasikara no nandray ity fifaninanana ity ary Malagasy hatrany no nahazo ny tompondaka. Mila ezaka kosa ny sokajy vehivavy, izay mbola vitsy anisa ary mila ampitomboina ny fanofanana azy ireo.
Mi.Raz