SOMBIM-BAOVAO

Norombahin’i Rija, Nanou, Olivier ny lelavola 8 tapitrisa Ar, nandritra ny « Grand Prix », taranja tsipy kanetibe nokarakarain’ny Petanque Club Imerintsia­tosika. Fifaninanana izay natao teny Ambatomirahavavy, ny sabotsy sy ny alahady lasa teo. Marihina fa notolorana vola 1 tapitrisa Ar ny faharoa.

Manaraka fiofanana ao amin’ny klioban’ny Paris FC, France D2, ny Coach Rôrô amin’izao fotoana. Taorian’ny klioban’ny RC Lens France D1, ao amin’ io klioba parizianina io indray izany ity Malagasy mpanazatra ity no haka traikefa. Marihina fa hifarana ny 27 janoary ho avy izao ny fiofanana ataon’ny mpanazatra Barea any France.

Hiditra amin’ny fifaninanana taom-pilalaovana 2023-2024, ny mpilalao eo amin’ny tontolon’ny Moto ankehitriny. Araka ny vaovao navoakan’izy ireo, hatao ny 28 janoary ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Motocross”. Araka izany, hisy ny visite médicale ny alarobia 24 janoary.

Tsara fanombohana ny ekipam-pirenen’i Maroc , Lion de l’Atlas, amin’ity fifanintsanana “Can 2023 Côte d’Ivoire” ity. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 0 i Tanzanie, ny alarobia lasa teo. Marihina fa mitana ny laharana voalohany ao amin’ny vondrona “F” i Marôc amin’izao fotoana izao.

Partager sur: