Baolina kitra : nifindra ao amin’ny St Pauloise FC i Tsiry

Lasa mpilalao milaravinahitra any amin’ny Nosy rahavavy La Réunion, Randria­tsiferana Tokinantenaina Oli­vier na i Tsiry kely, Malagasy mpilalao baolina kitra. Araka ny vaovao voaray omaly, ao amin’ny klioba Saint Pauloise FC izy no hilalao. Marihina fa hiaraka amin’i Rojo be, Malagasy hirakiraka, izany i Tsiry kely. Efa niaraka nilalao tao amin’ny ekipan’ny Ajesaia Bongolava “PFL” izy roa lahy ireto.

Nomarihin’ny klioba St Pauloise FC fa miandry ny fankatoavan’ny ligy any an-toerana izy ireo amin’ity fifindrana ity. Tsiahivina fa mpilalao niainga tao amin’ny Asefa Andramasina i Tsiry, niditra tao amin’ny Ajesaia avy eo. Taorian’izay, novidin’ny Fosa Junior FC Boeny, nandritra ny taom-pilalaovana 2021-2023. Niverina tao amin’ny Ajesaia, nandritra ny fiadiana ny am­boaran’ny “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”, izay nifarana ny alahady lasa teo izao lasan’ny klioban’ny Saint Pauloise FC izao.

Anisan’ny tena nampisongadina azy ny fifanintsanana afrikanina “Chan Algérie 2022”, nahatafiditra baolina roa ny tenany tamin’izany. An­koatra izay, anisan’ireo mpilalao nandrafitra ny Barea de Madagascar, nahazoan’i Ma­dagasikara medaly volamena, nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023, i Tsiry.

Fitia Randria

Partager sur: