Hotontosaina anio sy rahampitso, etsy amin’ny kianja mitafo ANS Ampefiloha, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja badminton. Hiaka-tsehatra amin’izany ny sokajy «sénior», lahy sy vavy. Hiaro ny anaram-boninahitra eo am-pelatanany amin’ity, i Thierry avy amin’ny ST Jo Mahamasina sy i Stephania avy amin’ny MB2 All.
Hahatratra 10 ireo klioba hifaninana, ahitana mpifaninana miisa 103 mianadahy mianaka. Hiady lohany amin’izany ireo ligim-paritra telo: Analamanga sy Vakinankaratra ary Atsinanana. Toy ny mahazatra, sokajy efatra no hifanandrinana dia ny «serie A, B, C» ary ny «vétérans», lahy sy vavy. Fihaonana natao ho an’olon-tokana ity fifaninana ity. Hanana ny lanjany goavana satria hakana isa hijerena ny filaharan’ny mpilalao tsirairay avy. Tsiahivina fa efa tontosa ny an’ny sokajy zandriny. Tafiditra ao anatin’ny fanapariahana ny taranja ihany koa ny fihaonana tahaka izao. Anisan’izany, ilay tetikasa “Shuttletimes” na ny badminton eny anivon’ny sekoly.
Torcelin




