Namoaka ny fandaharam-potoanany, mandritra ny enim-bolana amin’ity taom-pikatrohana 2024 ity, ny eo anivon’ny federasiona malagasin’ny Kung Fu. Ho feno tanteraka ny lafiny fifaninanana, teknika, fanaovaozana rafitra ary ny fifandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’ny vina goavana ataon’ny FMKF, mialohan’ny volana jona izao, ny fitsidihana an’i Eoropa. Hahafahana mijery akaiky ny taranja Kung fu any an-toerana.
Ny FMKF no hisahana ny fivoahana. Tanjona ny hampitombo ny fifandraisana sy hampiroborobo ny Kung fu manerana an’izao tontolo izao. Mialohan’izay, hohamafisina ny fampahafantarana ny taranja Kung fu eto an-toerana, eny anivon’ny klioba, seksiona ary ny ligy izay misy ny taranja. Entanina ihany koa ny faritra tsy mbola misy mpiangaly ny Kung fu mba hiditra ao anatin’ny rafitra ara-dalàna.
Asiana fanatsarana ihany koa ny lafiny fitantanana sy teknika, amin’ny alalan’ny fampiofanana isan-karazany.
Mi.Raz




