VAOVAO TAMBATRA

Vita omaly, ny fanamboarana ny fantson-drano lehibe eny Mandroseza. Miverina amin’ny laoniny tsikelikely, araka izany, ny famatsian-drano any amin’ireo toerana nisian’ny fahatapahana. Mampa­hatsiahy ny Jirama fa misy fiovany ny lokon’ny rano aorian’ny fahatapahana toy izao, ka tokony halefa elaela ny paompin-drano aloha.

Nohamafisina ny fiaraha-miasan’ny Sampan­draharahan’ny ladoany eny amin’ny seranan’Ivato sy ny Sampandraharahan’ny fitsaboana biby ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Tanjona ny hiarovana ny biby fiompy eto an-toerana manoloana ny fidiran’ny biby sy zavamananaina avy any ivelany mety hitondra aretina eto amintsika.

Nahazo kojakoja niomerika «tablettes» mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 265, sy moto 90 ary fiara 4×4 iray ny teknisiana ao amin’ny fandaharanasa Defis, ao anatin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Manohana ny tantsaha amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa sy fampivoarana ny famokarana ny Defis.

Misy asa fikojakojana ataon’ny Ravinala Airports amin’ny tafon’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, ankehitriny. Nanomboka ny 16 janoary ny asa, natao hampaharitra ny fotodrafitrasa sady tsy hikitihina azy matetika any aoriana. Misy, araka izany, ny fandaminana hapetraka hiantohana ny fivezivezen’ny mpandeha.

Partager sur: