Sehatra iray anisan’ny mahasarika tanora maro ny filatsahana an-tsitrapo maneran-tany. Anisan’ny sampana iray mandray izany, ary miasa eto Madagasikara ny Croix-Rouge Malagasy. Ahazoana tombontsoa maro ny fiseharana amin’izany, raha ny fanadihadiana natao.
Manodidina ny 10 333 ny isan’ny mpilatsaka an-tsitrapo eo anivon’ny Croix-Rouge Malagasy (CRM) hatramin’izao, raha ny antontan’isa voaray teo anivon’ity sampana ity. Ahitana mpilatsaka an-tsitrapo avokoa ireo faritra sy distrika rehetra manerana ny Nosy. Anisan’ny betsaka sy mazoto amin’ny fanaovana izany ny tanora. Misy ihany koa ireo efa lehibe, izay mpitarika ny tena ankamaroan’izy ireo. Mitohy foana ny fanentanana sy fandraisana ireo maniry ny hisehatra amin’izay asa izay hatramin’izao. Anisan’ny iray amin’izy ireo i Evah, mpilatsaka an-tsitrapo sady mpampiofana eo anivon’ny sampana. Nisehatra teo amin’io asa io izy efa an-taona maro. “Notaizana tao anatin’ny fikambanana skoto efa hatramin’ny fahakely aho ary efa zatra nifampizara fahalalana tamin’ny mpikambana. Anisan’ny nahafinaritra ahy ny lahasa rehetra azo tao anatin’io fikambanana io. Anisan’ny nandrisika ahy hirotsaka ho mpilatsaka an-tsitrapo eto anivon’ny CRM izany”, hoy izy nitantara. Nilaza ny tenany fa toe-tsaina nitaizana teo amin’ny sehatry ny asa ny hoe : tsy natao hitadiavam-bola fa kosa hanovozana fahalalana hoentina manampy ny mpiara-belona rehetra ny filatsahana an-tsitrapo. Endrika vonjy voina tena nanamarika azy ny mamelona olona torana. Nohamafisiny fa saro-pady indrindra ny fandraisana an-tanana io tranga io satria tsy afaka mahazo manampy an’ilay olona raha tsy resy lahatra ho ampiana mihitsy ilay olona.
Betsaka ny aina avotra
Mety hiteraka fahafatesana ho an’ilay olona izay raisina an-tanana ny tsy fahafehezana ireo fihetsika atao rehefa misy zavatra na loza mitranga, raha ny fanazavana hatrany. Maro ny tombontsoa azo avy amin’ny fahafehezana ny famonjena voina. “Rehefa voafehy ny vonjy aina dia betsaka ny aina avotra ary ny takaitra voasakana”, hoy hatrany i Evah, mpilatsaka an-tsitrapo. Manampy amin’ny fanohizan’ ny tanora fianarana eny amin’ ny ambaratonga ambony ny fahaizana io asa io.
Amin’ny maha mpilatsaka an-tsitrapo azy ireo, misitraka tombontsoa eo amin’ny lafiny maha olona, toy ny mpiasa rehetra eny anivon’ny orinasa ihany koa. Toy ny fahazoana ny tambin-karama… Tsy maintsy omena fiofanana izy ireo rehefa miditra amin’izay sehatra izay. Mba haha matihanina ny asa sy hahafeno ny fepetra ilaina rehetra amin’ny maha mpilatsaka an-tsitrapo azy ireo no antony hanaovana izany.
Mpanao gazety niofana
Notanterahina tetsy Tsaralalàna, afakomaly, ny atrikasa ho an’ny mpanao gazety. Fiofanana nokarakarain’ny Croix-Rouge Malagasy, mba hahafantaran’izy ireo ny zavatra tokony ho hay manoloana ny tranga na ny voina eny an-kianja. “Anisan’ny misehatra betsaka indrindra rehefa misy korontana eto amin’ny firenena ny Croix – Rouge Malagasy sy ny mpanao gazety. Maro amin’izy ireo no tsy mahay ny fandraisana an-tanana sy ny tokony hatao manoloana izany ka anton’ny fiofanana”, hoy i Antsa Mirado, tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny Croix-Rouge Malagasy.
Manamavaina ny fanaintainan’ny olona
Manamavaina ny fanaintainan’ny mpiara-belona eo anatrehan’ny hamehana mitranga ny tena anjara asan’ny Croix-Rouge Malagasy eto amin’ny firenena. Toy ny famonjena voina, fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. “Ny mpamonjy voina dia tsy mpitsabo fa manana andraikitra goavana izy ireo. Toy ny famonjena ny aina mandra-pahatonga any amin’ny mpitsabo”, hoy i Eva, mpilatsaka an-tsitrapo sady mpampiofana eo anivon’ny Croix-Rouge Malagasy. Manoloana ny mpisehatra maro eo amin’ny hamehana, eto Madagasikara. Tsy mifanitsaka andraikitra izy ireo fa samy manana ny asany. Ho azy ireo manokana, manao tantsoroka amin’ny fitantana ny loza sy ny tandindon-doza. Iarahany miasa amin’ny mpamonjy voina eto an-toerana sy any ivelany izany. Manampy ny fanjakana amin’ny asa rehetra ihany koa izy ireo. Manao tantsoroka amin’ny sehatry ny fahasalamana, toy ny valanaretina, ny pesta,…Tanjon’izy ireo ny hanena ny fanaintainan’ny mponina sy ireo traboina ary ireo marefo vokatry ny loza. Marihina fa ahitana trangam-pahavoazana betsaka indrindra ny eto Madagasikara rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao. Marika ahafantarana ny CRM ny Croix Rouge, ny Croissant Rouge ary ny Cristal Rouge.
Nanatontosa : Mino