Nosedraina tamin’i La Réunion ny mpanao lutte malagasy, latsaky ny 17 taona. Fifaninanana hitarafana ny haavo teknikan’ireo kilonga eo amin’ny firenena roa tonta. Resin-dry zareo ny Malagasy, tamin’ity.
Notanterahina ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ny «Tournoi International de Madagascar», taranja tolona, ho an’ny sokajy zandriny U17 lahy sy vavy. Fihaonana nifanandrinan’i Madagasikara sy i La Réunion. Niakatra ny lentan’ny fifaninanana, araka ny nambaran-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny federasiona, saingy mila mailo ny Malagasy fa efa manomboka mametraka ny dian-tanany ry zareo Renione. Raha tsiahivina, nahazo medaly volamena miisa 5 amin’ny 7 niadiana ry zareo vahiny. Anisan’ireo nahazo fandresena, teo amin’ny U15 zazalahy i Quentin, izay nandresy an’i Arnaud (3FB), ho an’ny sokajy -48 kg ary i Tanym nanilika an’i Bien-Aimé (Rossary), teo amin’ny -52 kg. Ankoatra izay, nentina namaranana ny fiofanana notanterahin’ny Federasiona iraisam-pirenena, natao teto Madagasikara nanomboka ny alatsinainy 28 novambra ka hatramin’ny asabotsy 3 desambra lasa teo ity fifaninanana ity.
Niofana sy nanamafy fahaizana
Nitarika izany i José Pino, teknisianina eo anivon’ny Federasiona iraisam-pirenena. Mpanazatra sy mpitsara ary mpilalao tao anaty ekipam-pirenena fahiny mahatratra 30 mianadahy no nanaraka izany. Tsy nanafina ny tenany fa nahafa-po ny fampitam-pahaizana satria nahitana atleta matanjaka sy mora mandray. Tanjona ny fampitana ny zavatra noraisina amin’ny fampivelarana sy fampiroboroboana ny taranja, indrindra fa ny fampianarana ny “lutte olympique”, manerana ny Nosy.
Nalefan’ny federasiona frantsay teto Madagasikara ihany koa i Anne Catherine, nijery sy nandinika ny zavatra ilaina amin’ny fampandrosoana ny Lutte sy ho an’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy. “Faly aho ary tena mahavelombolo ny fahitako ny fahavitrihan’ny vehivavy mandray anjara na tamin’ny fifaninanana na teo amin’ny fiofanana. Teo koa ny toe-tsaina mahay mifanaja sy mifankatia ary mifanampy”, hoy izy.
Torcelin