Anisan’ny manimba ny tontolo iainana ny fiparitahan’ny fako eto Madagasikara. Maro ny karazana fako hita, toy ny legioma, voankazo, taratasy, plastika… Mitarika aretina eo amin’ny olona ny fitobian’izany ary mampimenomenona ny ankamaroan’ny maro. Manampy amin’ny fanenana izany sy fanajana ny tontolo iainana ny fanodinana ny fako ataona olon-tsotra sy orinasa.
Tombanana ho 1 000 t isan’andro ny fako mivoaka eto amin’ny faritr’ Antananarivo, raha ny antontanisa farany navoakan’ny Plan d’urbanisation. Ho fanenana ireny fako miparitaka ireny, efa miha maro ny olon-tsotra sy orinasa misehatra amin’ny fanodinana izany ho lasa vokatra azo ampiasaina indray. Mandray anjara betsaka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny firosoana eo amin’ io sehatra io. Paikady hanenana ny fiparitahan’ny fako eny rehetra eny ihany koa ny fanaovana izany. Anisan’izany, ny fanodinana ny fako plastika, ny karazana legioma sy voankazo. Manomboka mahazo vahana sy manana anjara toerana ihany koa ny fanodinana ny akora sy ny fako taratasy. Anisan’ny manodina sy misehatra amin’izy io ny orinasa “Gasy Paper Point” etsy Ambohibao. Niforona tamin’ny taona 2020 ary nitsangana ara-dalàna tamin’ny taona 2022.
Amin’ny ankapobeny, maro ny tombontsoa azo avy amin’ ny alalan’ny fanodinana ny fako taratasy. Eo ny fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Izay potiky ny fiparitahan’ny karazam-pako rehetra misy. Eo ihany koa ny fampihenana ny loto. Manampy izany, ny endriky ny vokatra azo avy eo, izay tsy mitovy amin’ny karazana asa tanana hafa vita amin’ny taratasy fahita andavanandro.
Antony roa lehibe ny nandrisika azy ireo hisehatra amin’ ny fanodinana ny fako taratasy. “Voalohany, nisy olona akaiky anay nanana fahaiza-manao amin’ny fanaovana taratasy Antemoro. Efa tsy dia misy intsony izy io amin’izao fotoana satria mihavitsy ny akora fototra ampiasaina amin’izany”, hoy ny mpamorona sady mpitantana ny Gasy Paper Point, Ravelonahina Hilda Hasinjo, raha nanontaniana. Nilaza izy fa anisan’ny mamotika tontolo iainana be ny fanaovana azy io. Akora fototra ampiasaina amin’izany ny hodi-kazo any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Faharoa, ny fahitana fa betsaka loatra ny taratasy miparitaka eny an-dalambe
sy eny amin’ny toeram-panariam-pako rehetra eny. “Mitady vahaolana izahay ny hanenana ireo fako miparitaka ireo. Ho fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ihany koa izany”, hoy hatrany izy.
Mampiasa ny taratasy rehetra afa-tsy ny misy “pellicule”
Ampiasaina atao akora fototra avokoa ny karazana taratasy rehetra any anaty birao (papier bureautique). Eo koa ny baoritra famonosana entana. Nambarany fa tsy mbola nandalo daba-pako ary tsy nifangaro tamin’ny zavatra maloto izany. Tsy azo ampiasaina ahodina kosa ny taratasy misy “pellicule” na misy plastika eo amboniny. Nohamafisiny fa tsy potiky ny milina manodina ny taratasy izany, ka lasa misy toy ny potika “sachet” kely marobe eo amin’ ilay vokatra voahodina.
Maro ny vokatra azo avy amin’ireny karazana fako taratasy ireny. Anisan’izany, ny harona, album, valopy, carte, bloc note… Azo atao avokoa rehefa zavatra azo eritreretina ho vita amin’ny fanodinana. Azo ahodina ho vokatra taratasy ihany koa ny zavatra vita amin’ny hazo.

Maharitra ora maro ny fanaovana ny asa
Mandalo dingana maro samihafa ny fanodinana ny taratasy ho lasa vokatra hafa azo ampiasaina indray. Totoana ny taratasy rehefa avy nalaina eny ifotony. Apetraka sy aparitaka amin’ny lasitra anankiray izany mba hahazo refy manodidina ny 50 -75 cm. Atapy amin’ny masoandro mba ho maina tsara avy eo. Rehefa izay, tapahana sy ampiasaina ahazoana ny endriny izay tiana sy hanome ny vokatra tadiavina. Maharitra eo amin’ny adiny dimy ora na adin’ny enina ny fahavitana taratasy iray, farany haingana indrindra.
Tsy sahy manjifa ny olona noho ny vidin’ny vokatra
Misy ireo olona resy lahatra amin’ny fanjifana ny vokatra vita malagasy, raha ny fanadihadiana natao. Ny ankamaroan’ ny mpanjifa ny vokatra dia ny orinasa izay manana entana betsaka ka mila entana hofonosina. Eo ihany koa ny hotely lehibe, izay mpanome fanomezana ho an’ny mpanjifany. Misy ihany koa ny olon-tsotra, manome fanomezana. Miakatra ny tahan’ny fanjifana ny vokatra rehefa vanim-potoan’ny fety. Misy kosa ny tsy sahy manjifa noho ny halafon’ny asa tanana vita malagasy. Indrindra ireo olona mbola hivarotra sy hitady tombony hafa. Azo lazaina ho lafolafo kokoa mihoatra ny vokatra hafa ny vokarin’ity orinasa mpanodina fako taratasy ity. Ny fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana eto amin’ny firenena, ny tena handresen-dahatra ny olona hanjifa ny vokatra. Misy ihany koa ny fanatonana misimisy kokoa ireo orinasa tena liana amin’ny taratasy nahodina.
Nanatontosa : Mino




