Tarika mpiangaly bagasy anisan’ny manana ny mampiavaka azy ny Ny AngolaItokiana. Izy ireo no hanatanteraka voalohany ny « Zara sehatra » karakarain’ny Sehatra Bagasy ho an’ity taona 2024 ity. Anio 10 febroary, manomboka amin’ny
2 ora sy sasany tolakandro ka hatramin’ny 5 ora sy sasany, haneho ny talentany ireo mpikambana rehetra ao amin’ny AngolaItokiana. Anisan’ny mampisongadina ity tarika ity eny an-tsehatra ny fananana angolam-peo sy fampiaraham-peo rehefa mihira rodobe. Faharoa, ny fisian’ny sokajin-taona rehetra (ankizy sy tanora ary lehibe) ao aminy.
Hitohy avy hatrany amin’ny « Asaramanitra bagasy » ny « Zara sehatra » anio. Fifampiarahabana eo amin’ny samy mpikamban’ny Sehatra Bagasy sy eo amin-dry zareo sy ny mpitia ity zavakanto mampiavaka ny Malagasy ity, izay tonga eny an-toerana. « Hiaraka hifaly, hiravo isika noho ny fandraisana ny taona vaovao », hoy i Lydie Ratefiarison, filohan’ny Sehatra Bagasy.
HaRy Razafindrakoto