« Festival Fanorona » : tanjona ny hampahafantatra ny maha izy azy

Tanterahina anio sy ra­ham­pitso, eny eny amin’ny La­pan’ny Tanànan’Ambohidra­trimo, ny “Festival Fanorona” andiany voalohany. Ho hita, mandritra izany, ny fifanina­nana fanorona sy velakevitra manodidina izany. Hisy ihany koa ny tranoheva sy fampirantiana mahakasika ity kilalaon-tsaina malagasy ity. Mbola hisy ny hetsika maro samihafa entina mandravaka ity hetsika ity, ankoatra ireo. Efa vonona tanteraka ny mpikarakara sy ny toerana. Tanjona ny ham­piroborobo sy hampahafan­tatra ny fanorona sy ny manodidina azy, indrindra ho an’ny tanora sy ny ankizy.
Fotoan-dehibe ho an’ny mpankafy fanorona ny anio sy rahampitso. Anio, hisy ny fifaninanana andraisan’ny kaominina ao anatin’ny distrikan’ Am­bohidratrimo anjara. Vola mitentina 3 hetsy Ar no ho azon’ny voalohany amin’ny fifaninanana, miampy loka maro samihafa. Ny tolakandro, hisy ny velakevitra hiarahana amin’i Vona Kiady Tahiry, momba ny “Ny Kabary sy ny teti-panorona”, tohizan-dRan­jatohery Harilala, hiresahany ny “Ny foto-pisainana malagasy milafika amin’ny fanorona”. Eo ihany koa ny an’i Harinante­naina Mathias, miresaka ny “Fifandraisan’ny fanorona, fanandroana sy ny Sikidy”. Mamarana izany ny an’i Zamabe, miresaka ny “Tekni­kam-pilalaovana fanorona”.
Ankoatra ireo, hisy ny di­nika ho famerenan-kasina ny Rovan’Ambohidratrimo. Ny andron’ny alahady, hisy ny fampisehoana iarahana amin’ ny Malagasy mpahay kanto, mpihira, maro samihafa toa an’i Doubl’enn, Eklyps …

Lin

Partager sur: