Hatao ny 16 hatramin’ny 18 febroary izao, eny amin’ny ivontoerana Cnaps Vontovorona, ny dingana farany amin’ny tetikasa “De la rue vers l’or”. Tetikasa amin’ny alalan’ny fifaninanana basikety 3×3, karakarain’ny federasiona malagasin’ny basikety, miaraka amin’ny FIBA Afrika. Efa samy nahavita ny fifaninanana avy ny ankamaroan’ny ligim-paritra, misy kosa ireo izay mbola andalam-pamitana izany, mialoha ny hiatrehana ny fifaninanana nasionaly hatao eto Antananarivo. Anisan’ny maha zava-dehibe ity tetikasa ity ny hahafahana mifantina ny handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny « lalao Afrikanina », andiany faha-13, hatao any Accra Ghana, ny 8 hatramin’ny 23 marsa izao. Tsiahivina fa sokajy latsaky ny 23 taona no handray anjara amin’ity « lalao Afrikanina » ity, ho fanomezana sehatra ny tanora, izay tafiditra indrindra amin’ny tanjon’ny hetsika “De la rue vers l’or”. Tetikasa izay tohanan’ny Cnaps sy ny Masoivohon’i Frantsa izy ity. Ankoatra ny fifaninanana, hisy ihany koa ny fiofanana nasionaly hositrahin’ny mpandrindra rejionaly sy ny mpitsara, mandritra io 3 andro io, araka ny fanazavan’ny filoha lefitry ny federasiona malagasin’ny basikety, Zafisambo Nina Ruphin. Nambarany fa tsy ny fanomanana ny «lalao Afrikanina» ihany no nanaovana ity fifaninanana ity fa eo koa ny fiatrehan’ny Malagasy ny « lalao olympika » hatao any Paris.
Mi.Raz