Nankalazaina teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny Kagami Biraki, ny sabotsy lasa teo. Fankalazana izay efa fanaon’ny fianakaviamben’ny Judo, rehefa fiandohan’ny taona toy izao, ny Kagami Biraki. Kolontsain’ny Judokas niforona ny taona 1884 tamin’ny alalan’ny Shihan Jigoro Kano, ity fomba ity, izay tena mamaritra izany taranja Judo izany. “Tsy fifaninanana ihany no atao amin’ny taranja Judo, fa misy ihany koa ny kolontsaina izay mampiavaka azy”, hoy ny fanazavan’ny Maître Rasamimanantsoa Riana, filohan’ny klioban’ny Hakudokan. Ity klioban’ny Hakudokan ity no nisahana ny fikarakarana ny Kagami Biraki tamin’ity taona ity. Ny Maître Rasolondraibe Mamy Dongoza, mpanorina ny Hakudokan Club ihany koa no nampiditra ny fankalazana ny Kagami Biraki tao amin’ny tetiandron’ny federasiona malagasin’ny Judo ka izao hankalazaina mandraka androany izao. Tsiahivina fa mankalaza ny faha-25 taonany ity klioba ity ary hetsika maro no hanamarihina izany. Toy ny fanao isan-taona, nisy ny fifaninanana nanamarihina ny fankalazana. Tomponandraikitra ambony sy olo-manan-kaja maro no tonga nanome voninahitra ny lanonana, nahitana ny masoivoho Japoney sy ny teo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena.
Mi.Raz