Andro iraisam-pirenena ho an’ny onjampeo: fitaovan-tserasera maro mpankafy sy fampitam-baovao

Nomarihina omaly, ny andro maneran-tany ho an’ny onjampeo. Nisy ny fandaharana manokana nitambaran’ireo mpiasan’ny radio rehetra tao amin’ny Radiom-pirenena malagasy (RNM), omaly atoandro. Nifan­drombonan’ny mpanentana amin’ny radio samihafa avy eto Antananarivo. “Ny radio: manamarika ny lasa, mampitoetra ny ankehitriny, fanoitry ny ho avy”, io ny lohahevitra nentina nanamari­hina izany, tamin’ity taona ity.

Fitaovan-tserasera mbola mitana ny lohalaharana indrindra maneran-tany ny Radio hatramin’izao. Mbola be mpampiasa sy be mpihaino indrindra ihany koa izy raha oharina amin’ny fahitalavitra sy ny gazety. Zava-dehibe ny fisian’ny onjampeo satria haingana kokoa ny fampitam-baovao aminy raha oharina amin’ ny fitaovan-tserasera hafa. Rehefa mahita vaovao mitranga dia azo alefa eo no ho eo any amin’ny toeram-piasana ny vaovao ary afaka ampitaina amin’ny mpihaino avy hatrany. Sady mianatra no mampianatra ny asa amin’ny onjampeo. Ilaina ihany koa ny fanitaram-pahalalana sy fikarohana hanome fahafaham-po ho an’ny mpihaino. Anisan’ny fitaovan-tserasera tsy afa-
misaraka ary manan-danja amin’ny olona izy io satria mora entina sy ampiasaina. Noho izany, tena mampiasa azy io betsaka ny olona monina any ambanivohitra. Antony mahatonga izany, ny hamo­ran’ny vidiny sy ny fampiasana azy oharina amin’ireo kara­zana fitaovan-tserasera misy. Tsy mifidy toerana hihainoana sy handefasana azy ihany koa ka antony mandrisika ny maro hihaino radio. Ankoatra izay, mahaliana ny maro ny fandaharana mandeha ao aminy, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Samy manana ny mahaliana azy avokoa ny mpihaino manoloana ireo karazana fandaharana mandeha ao aminy. Toy ny hirahira, fifam­pizarana toro-hevitra, ny tantara, ny vaovao…

Radio, manala havizanana sy hanehoana fihetsem-po

“Manala havizanana sy adin-tsaina ary manome hafaliana eny an-dalana fa indrindra any anaty fiara fitateram-bahoaka ny fihainoana radio”, hoy Ralantomanana Made­leine, renim-pianakaviana iray nanontaniana. Anisan’ny tena mahasarika azy ny fihainoana hirahira mandritra izany. “Tia manaraka fandaharana mahakasika ny fiainana, fahasalamana, fitaizana ary fitiavana indray aho any an-trano”, hoy hatrany izy. “Namana tsy ma­hafoy ny mpihaino, na aiza na aiza toerana misy azy, ny radio eny fa na any ambanivohitra lavitra any aza”, hoy Rasolohery Evariste, mpanao gazety ao amin’ny Radio Fahazavana. Afaka hanehoana fihetsem-po ihany koa izy. “Maka sary an-tsaina ny zava-misy sy vaovao ary ny olona miteny ao aminy kosa ny mpihaino”, hoy Ratovoarifetra Mickael, tovolahy nanonta­niana. Nilaza izy fa mafonja kokoa ny vaovao sy fandaharana heno amin’ny radio amin’ ny maha tsy misy sary aza. Tantara sy fandaharana maha­kasika ny fitiavana ny tena mahaliana azy io rehefa mi­haino radio, raha ny fanaza­vany. Ankoatra izay, manana andraikitra goavana amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena tsirairay ihany koa ny radio. Amin’ny alalan’ny famokarana sy fanentanana fandaharana samihafa ary amin’ny alalan’ ny fampitana ny vaovao misy sy mitranga.

Mampitombo ny fifaneraserana

Samy manana ny andraikiny avy ny tsirairay miasa
amin’io sehatra io. Ao ny mpanao gazety, ny mpanentana, ny teknisiana. Maro ny tombontsoa azo amin’ny fiseharana eo amin’ny tontolon’ny onjampeo, indrindra ny asa fanaovan-gazety. Anisan’ny manefy fomba fisainana sy mampitombo fahalalana izany. «Mampitombo fahalalana sy fahaizana, ahitana fifaliana, ahazoana namana maro, ahitana karazana fomba amam-panao fanaon’ny olona…», hoy hatrany Rasolohery Evariste, mpanao gazety ao amin’ny radio Fahazavana. Nilaza izy fa olana nosedraina ny fibahanan’ny fotoana manontolo ao anatin’ny asa. Ny tontolon’ny radio no mibahana an-tsaina ka tsy ahafahana mamita adidy hafa amin’ny fianakaviana, ohatra.
Teraka nanodidina ny taona 1800 tany ho any ny onjampeo. Noho ny firoborobon’ny siansa, namorona ny telegrafy voalohany i Samuel Morse tamin’ny taona 1841. Nahafahana nandefa hafatra amin’ny alalan’ny tariby elektrika sy amin’ny rafitra fifandraisana tsotra sy azo ampiharina antsoina hoe
“le Morse” izany. Nohatsarain’i Guglielmo Marconi, italiana, izany tamin’ny taona 1899. Nahafahana nampita feo amin’ny alalan’ny “hertz”. Nivoatra tsikelikely ary tonga teto Mada­gasikara izany tamin’ny taona 1931. Niseho tamin’ny ala­lan’ny “Radio Tananarive”, izay nandefa ny fandaharany voalohany, ny 29 avrily 1931. Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny onjampeo eto Madagasikara amin’izao fotoana. Mahatratra 500 mahery izy ireo manerana ny Nosy.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: