Fotoana iray hanaporofoana ny fitiavana amin’ny alàlan’ny zavatra maro ny andron’ny mpifankatia. Toy ny fanomezana fehezam-boninkazo, teny mamy ary sakafo hariva any amin’ny trano fisakafoanana… Lasa andro manan-danja ho an’ny orinasa maro manararaotra amin’ny vidin’ entana kosa ny 14 febroary.
Mankalaza ny 14 febroary ho fetin’ny mpifankatia avokoa ny firenena maro maneran-tany. Anisan’izany i Madagasikara. Tanora eo anelanelan’ny 22 hatramin’ny 35 no betsaka mankalaza izany, raha ny fanadihadiana natao. Zava-dehibe eo amin’ny olon-droa ny fankalazana ny fetin’ny mpifankatia. Fotoana iray hanehoana amin’ny olon-tiana fa tena manan-danja eo aminao izy. Hampitomboana ny fifankatiavana eo amin’ny roa tonta ihany koa mba hanaporofoana fa mbola mamy sy tsy foana ny fitiavana na dia efa niaraka aman-taonany maro aza. Maro ireo mpifankatia mankalaza ny fetin’ny St Valentin. Misy kosa ireo mifidy ny tsy hankalaza izany mihitsy noho ny fahasahiranana sy ny tsy fahampiana. “Tsy zatra nankalaza ny fetin’ny mpifankatia mihitsy izahay hatramin’ izay”, hoy ny renim-pianakaviana iray.”Tsy misy andro manokana ny fankalazana ny fetin’ny mpifankatia fa tokony isan’andro ny fanehoana izany eo amin’ny olon-droa”, hoy Andrianina Lovasoa, tovolahy hafa.
Mandeha mivoaka rehefa mirava avy miasa sy
mianatra
Nomarihina tamin’ny fanaovana zavatra maro samihafa ny fetin’ny mpifankatia amin’ny ankapobeny. Misy ny nanolotra fanomezana ho an’ ny olon-tiana, mandeha mivoaka miala amin’ny mahazatra, miara-misakafo any amin’ny trano fisakafoanana, mamonjy alim-pandihizana… Lasa fahazarana ho an’ny mpifankatia ny mifanolotra fanomezana rehefa fotoana tahaka izao. Maro mpisafidy ny voninkazo, sokolà, ankanjo mitovy loko sy mifono hafatra ary teny mamy… Ankoatra ny fanomezana tolotra miavaka, misafidy ny handeha trano fisakafoanana ny ankamaroan’ny mpifankatia ny harivan’ny fety. Koa satria andro fiasana sy fianarana ny datin’ny 14 febroary tamin’ity taona ity, mbola samy nanao ny asa aman-draharahany nandritra ny tontolo andro avokoa ny tsirairay manoloana izany. Nihaona sy naka fotoana niarahana kosa izy ireo rehefa nirava avy niasa sy nianatra taorian’ny tamin’ny 6 ora hariva, raha ny fanadihadiana natao. Ho an’ireo tsy manam-potoana ho an’ny omaly kosa, mikasa ny hijery fampisehoana sy hamonjy alim-pandihizana amin’ ny faran’ny herinandro izy ireo ka sady manala ny havizanana nandritra ny herinandro no mifaly eo anilan’ny tiana.
Tolotra maro no teny amin’ny magazay sy ny trano fisakafoanana
Nanao tolotra maro ho an’ny mpifankatia ny ankamaroan’ny mpandraharaha nanoloana ny fetin’ny mpifankatia, omaly. “Tsy maintsy nasiana tolotra manokana ho an’ny mpifankatia amin’ny maha fetin’ny mpifankatia ny andro, omaly”, hoy ny tomponandraikitry ny trano fisakafoanana iray eto Antananarivo. Manomboka eo amin’ny 15 000 ariary kosa ny vidin’ny sakafo tsotra toy ny mahazatra eny amin’ireo trano fisakafoana nanontaniana. Misy ireo mpifankatia manao famandriha-toerana mialoha ho an’ny olon-droa. Misy ihany koa ireo mamandrika toerana ho an’ny mpifankatia mihoatra ny telo. Nampiarahana amin’ny loko nosafidian’ny mpifankatia kosa ny lamban-databatra sy ny “serviette de table” mba hampiavaka ny andron’ny mpifankatia, omaly.
Maty notapahin-doha ny pretra Valentin
Ara-tantara, pretra italianina, nitoka-monina niaina tamin’ny taonjato fahatelo i Valentin avy any Terni. Nitsodrano sy nanamasina ny fanambadiana tsy nahazoana alalana teo amin’ny vehivavy kristianina sy lejionera iray izy mba hialana amin’ny tokantrano imaso. Antony nampigadra azy tamin’ny fitondran’ny amperora Claude II tany ho any amin’ny taona 280.
Nisy fanenjehana mamaivay ny kristianina nataon’i Marcus Aurelius, mpanjaka tamin’izany andro izany. Maro ny kristianina maty maritiora noho ny fitazomany sy ny tsy fivadihana tamin’ny finoana. Isan’ny maty notapahin-doha tamin’izany ihany koa ny pretra Valentin. Maty maritiora izy tamin’ny 14 febroary 496.
Tamin’ny andron’ny Papa Gelase I, ny taona 496 no nanomboka ny fankalazana ny Saint Valentin. Natao hanafoanana ny fetin’ny fanompoan-tsampy nataon’ny mponina romanina hanompoana ny Andriamanitry ny fitiavana izy io, izay nifanindran-dalana tamin’izany, natao isaky ny 15 febroary. 1000 taona taty aoriana, nambaran’ny Papa Alexander VI, Rodrigo Borgia ho olomasina mpiaro ny mpifankatia i Mompera Valentin tamin’ny 1496. Ankoatra izay, ho an’i Angletera, nanamarika ho fanehoan’ny voronkely ny fifankatiavany kosa ny 14 febroary, izany hoe, amin’ny alalan’ny fifampitaomana sy fiarahana manidina mandeha tsiroaroa.
Nanatontosa : Mino