Mahazo vahana ny karazam-pety: Arediredin’ny kolontsaina vahiny ny Malagasy

Manana ny fomba amam-panaony ny Malagasy. Voatosiky ny an-dry zareo vahiny anefa izy ireny ka manomboka tsy tazana intsony eto Madagasikara. Tsy very na takony fotsiny fa voasolo…

Vao omaly, nanamarika ny « Fetin’ny mpifankatia » ny Malagasy. Raha ny fahafantarany (Malagasy) azy, amin’io vanim-potoana io no mifanolotra fitia na manamafy ny fitiavana efa misy ny olon-droa. Samy manao izay ho afany ! Mifanolotra voninkazo, tononkalo, fanomezana isan-karazany… Ao ny mahavatra mamerina indray ilay tokim-pitiavana natao tany aloha. Misy ny mamorona voady na mahavatra milokaloka fa tsy « … », intsony. Raha atao indray mijery, arediredin’ny kolontsaina sy fomba amam-panao vahiny ny Malagasy. Tsy ny « Fetin’ny mpifankatia » ihany no isehoan’ireny « rediredy » ireny fa saika ahitana izany avokoa ireo karazana fomba vahiny nampidirina teto Madaga­sikara.
Taty aoriana, rehefa rakotra « Fety » ny fiainan’ny Malagasy. Rehefa nahatafita hafatra ry zareo vahiny ka hain’ny Malagasy ny manaraka ireo fomba amam-panao rehetra hanamarihana na hankalazana azy ireny. Nampiany tamin’ny fomba rehetra mba tsy hanadinoina izany intsony ny Malagasy.
Noforonina ihany koa ny « Andro iraisam-pirenena »
Tsy mbola levona akory ireo « rediredy » navelan’ny fanaovana « Fety », nasosoka indray koa ny « Andro iraisam-pirenena » izay am-polony maro ao anatin’ny taona iray. « Andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona », hono. Ry zareo mpanilikilka ny zokiolona indray no milaza sy manome anatra ny tokony hanajana sy ahatsiarovana ny zavatra vitan’ireny raiamandreny ireny. Mirediredy manaraka izany ihany koa ny Malagasy. « Rediredy » sy famantarana ivelany fotsiny ny rehetra, satria, ireo vahiny namorona ny « Andro iraisam-pirene­na ho an’ny zokiolona » mihi­tsy no mametraka ireo nahitany masoandro any amin’ny toerana fitaizana zokiolona. Mpitari-bato vilam-bava !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: