Vaovao nahafaly ireo mpankafy : namoaka rakitsary vaovao ny Tempo Gaigy ny talata teo. Ny rakitsary no vaovao, fa ny hira kosa ilay mampanembona ny tany ambadiky ny 20 taona lasa. Ilay hira “Tianao impiry” mantsy no naverin-dry Faniry sy ny tariny. Niniana hifanandrify amin’ ny fanamarihana ny “Fetin’ny mpifankatia” omaly mihitsy izany. Natao ihany koa hitondrana ny fanombohana indray ny fiarahana an-tsehatra miaraka amin-dry Tempo Gaigy.
“Aza atao fitiavana ora iray fa ho fitiavana mandrakizay”, hoy i Faniry. Hirona betsaka amin’izay fitiavana sy ny tontolony izay ny seho hotontosain’ny tarika Tempo Gaigy, ny sabotsy 17 febroary izao, manomboka amin’ny 7 ora alina, eny amin’ny Madagascar Espace By Pass. Noho ny fangatahan’ireo mpankafy maro, izay tsy afaka andavanandro no nisafidianana ny fotoana. Hiverenana avokoa ireo hira mampanembonembona hatrany ireo mpankafy, satria izay indrindra no tanjon’ny seho.
Tsy maintsy hisy ny seho goavana ho famaranana ny faha-25 taonan’ny tarika, saingy tsy mbola fantatra kosa ny fotoana. Ity aloha, araka izany, ny fiarahana amin’ny Tempo Gaigy azo antoka, eto Antananarivo.
Zo ny Aina