Betsaka ny aretina mety hiseho sy mahazo ny ankamaroan’ny olona rehefa fotoan’ny orana tahaka izao. Anisan’ izany, ny fièvre typhoïde, aretim-pivalanana, ny tazomoka, ny aretin-kibo maro samihafa, ny choléra, ny lagaly, ny cysticercose…
Azo avy amin’ny tanana maloto sy ny sakafo manta misy mikraoba ka tafiditra any am-bava avokoa ireo karazana aretina ireo. Anisan’izany ny choléra izay mamono olona betsaka indrindra maneran-tany. Miparitaka manerana ny kaontinanta maro ity sokajin’aretina iray ity. Anisan’ny areti-mifindra fahafito amin’izao fotoana izao ihany koa izy io. Manodidina ny 3 tapitrisa eo ho eo ny trangan’ny choléra maneran-tany, raha ny tombana nataon’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS). Maherin’ny 95 000 isan-taona ireo maty noho io aretina io.
Aretina azo avy amin’ny otrikaretina antsoina hoe “Vibrio cholérae”, tafiditra ao anatin’ny vatan’ny olombelona ny antsoina hoe “choléra”. Mahatonga fivalalana misesibe isan’andro eo amin’ny olona anankiray izy io. Mampiavaka ny aretina Choléra amin’ny aretin-kibo hafa ny fivalanana mahatratra efa ho 20 isa isan’andro. Miloko fotsifotsy toy ny vary sosoa ny lokon’ny diky mandritra izany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Areti-mifindra amin’ny hafa ihany koa izy io satria miparitaka amin’ny alalan’ny rano, sakafo ary ny zavatra rehetra miditra any am-bava. Tena betsaka voan’ny aretina ny ankizy sy ny olona antitra noho ny tsy fahampian’ny hery fiarovana sy ny tsy fitandremana. Tsotra ny fomba fisehon’ny aretina. Manotika ny kibo, mivalana rano sy misy hafanana ary reraka be ny olona voan’ny aretina.
Ilaina ny fisotroana rano betsaka
Ireto misy torohevitra vitsivitsy aroso raha voan’ny aretina. Mila manatona mpitsabo avy hatrany ny olona iray vantany vao marary kibo mba hizahana ny antony mahatonga ny aretina. Efa miaro tena avy hatrany ireo olon-drehetra ao an-tokantrano sy ny manodidina azy manoloana izany. Ankoatra izay, mandra-pahatonga any amin’ny dokotera, tena ilaina ny fanoloana ny rano very. Rano avokoa ny 80 % mandrafitra ny vatan’ny olombelona. “Raha very ny rano, dia mijaly avokoa ny taova rehetra ao anatin’ny vatana. Toy ny fo, ny atidoha, ny voa… Antony mitarika any amin’ny fahafatesana haingana eo amin’ny olona voan’ny aretina choléra”, hoy ny mpitsabo etsy 67ha, Rakotonindrina Norbert. Nilaza izy fa ny fahaverezan’ny rano be loatra eo amin’ny olona no mahafaty fa tsy dia ny aretina loatra.
Fanomezana “iray sy valo”
Zava-doza, indrindra ho an’ny olombelona, ny tsy fahampian-drano rehefa tratry ny aretim-pivalanana. “Tsy maty ny olona iray tratry ny aretim-pivalanana raha toa ka voasolo ny rano very aminy”, hoy hatrany izy. Vahaolana tsara indrindra ny fanomezana “iray sy valo” ny olona marary. Toy izao ny fanamboarana azy any an-trano. Maka rano 1l, asiana sira 1 sotrokely safovavany. Miampy siramamy imbalon’ny sotrokely safovavany ary voasary makirana antsasany. Afangaro ireo ary sotroina mandra-paharivan’ny andro. Tsy asiana siramamy ho an’ny olona misy diabeta. Tsy asiana sira kosa ho an’ny olona misy tosidra.
Mihena ny aretina raha madio ny tanana
Miparitaka betsaka ny fako sy ny loto rehefa amin’izao fotoanan’ny fahavaratra izao. Mahazo vahana, araka izany, ny mikraoba ka mitarika karazana aretina maro.
“Raha misy ny ezaka miady amin’ny aretina vokatry ny tanana maloto eto amin’ny firenena. Toy ny fampitomboana ny hetsika hisarihana ny olona hividy savony, hanapaka hoho, hanadio tanana, tsy hanary fako eny rehetra eny… Mihena any amin’ny antsasa-manila ny aretina, indrindra ho an’ny olona eny ambany tanàna”, hoy hatrany ny mpitsabo etsy 67ha, Rakotonindrina Norbert. Mampiova ny fihetsika ataon’ny olona eny anivon’ny tokantrano izany, raha ny fanazavany hatrany.
Takina ny fahadiovana
Toy izao ny fitandremana tsara tokony hataon’ny tsirairay mba tsy ho tratran’ny aretina. Tandremana ny tanana tsy atao any am-bava, mila misasa tanana alohan’ny hisakafo sy avy any amin’ny toeram-pivoahana… Saromana ny sakafo masaka mba tsy hipetrahan’ny lalitra. Tsy aparitaka eny an-dalana ihany koa ny loto toy ny diky sy amany… Ilaina ny fanamafisana ny hery fiarovana amin’ny alalan’ny fihinana voankazo sy legioma. Eo koa ny fitondrana aro orana sy akanjo mafana. Misotro rano mafana sy midio amin’ny rano sy savony kosa no tokony hatao rehefa lenan’ny orana.
Nanatontosa : Mino