Tontosa omaly, tao amin’ ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny atrikasa momba ny feni-panoratana ny teny malagasy, nokarakarain’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, tamin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny Fampiroboroboana ny teny malagasy. Ny profesora Ranaivoson Jeannot Fils, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, no nitarika ny atrikasa. Tanjon’ny hetsika ny ho fanampiana ny mpisehatra amin’ny fanoratana ny teny malagasy, mba hahazo fahalalana misimisy kokoa amin’ny fitsipi-panoratana ny teny malagasy, hisorohana ny mety ho fahadisoam-panoratana miseho any anaty boky sy asa soratra samihafa.
Mpikabary, mpanoratra, mpianatra maro samihafa ary mpisehatra maro amin’ny fanoratana ny teny malagasy no tonga niatrika ny « Atrikasa momba ny feni-panoratana ny teny malagasy ». Ny fahitana ny zava-misy ankehitriny, indrindra ny tsy fahafehezana ny fanatontoloana, izay manimba ny tenindreny, no anisan’ny antony nanaovana izao hetsika izao. An-jatony ny naniry hiatrika azy ity saingy voafetra ny toerana. Hisy, araka izany, ny andiany faharoa amin’ny atrikasa. Eo koa ny hetsika maro samihafa entina manamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny, ny 21 febroary ho avy izao.
Lin