Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 15 marsa 2024, eny amin’ny Craam Ankatso, ny fampirantiana “Entre soi”, iarahana amin’i Abtoi Hi hou, Malagasy mpahay kanto misehatra eo amin’ny fanaovana hosodoko. Maneho ny maha izy azy manokana sy misambotra ny fahasamihafan’ny toetra mampiavaka ny tsirairay ity mpahay kanto ity, ao anatin’ny fampirantiany. Tanjona ny hanehoana ny fifandraisana eo amin’ ny samy olombelona sy ny fanahy amin’ny alalan’ny haikanto hosodoko.
Harantiny amin’ny daholobe ny “Entre soi”, taorian’ny iray volana namolavolany izany. Amin’ ny alalan’ny sanganasa, manamaivana ny fanehoan-kevitra miovaova izay manambara ny lafiny maro amin’ny maha olombelona ny mpahay kanto. Mampahatsiahy antsika ny tsy fahalavorariantsika amin’ ny alalan’ ny sary tsy mahazatra, mavitrika amin’ny hetsika sy ny fiainana.
Manasa antsika hisaintsaina ny diantsika manokana, amin’ ny fikatsahana tsy manampetra ny fahalavorariana mamitaka i Abtoi Hi Hou. Araka ny nambaran’ny Tomponandraikitra, mampahatsiahy fa ao anatin’ ny tsy fahatanterahana no itoeran’ny harentsika sy ny tena maha olombelona antsika ny « Entre Soi ».
Lin