Mivelatra fa poakaty : miha maivan-danja sy very hasina ny kolontsaina malagasy

Manana ny maha izy azy ny kolontsaina malagasy. Tsy voatery ho endrika ivelany ihany fa na ny fanahy nentina namorona sy nanehoana azy aza, mampivanaka olona maro… Arakaraka ny ivelaran’ireny kolontsaina ireny anefa no mamery hasina azy ankehitriny.

Ianarana amin’ny «internet» io dia vita ! Mahatratra aman’alina izao ny mpikambana ao aminay. Vitan’ity zavamaneno ity ny mamoaka feo aman-jatony. Tsara tarehy be ilay sehatra nasiana jiro maro loko sy ravaka voninkazo plastika… Tahaka ireo ny fanehoan-kevitry ny Malagasy rehefa te hilaza fa «mandroso» sy mivelatra ary tsara ny kolontsaina hitan’ny masony na ren’ny sofiny.
Raha endrika ivelany, marina ilay zava-boalaza. Fa raha vao miditra lalindalina kokoa, poakaty. Na manana fahalalana (zavakanto, fomba sy fanao, fahendrena, kolontsaina…) maro vokatry ny fijerena «internet» aza ny Mala­gasy, raha mbola tsy fantany ny fototra ijoroan’ireny fahalalana ireny, tsy hitondra na inona na inona ho azy izany.
Na hazo sarobidy tsy manam-paharoa maniry eto Madagsikara aza no namboarina ho sary sokitra tsara tarehy. Maivan-danja sy very hasina izany raha maneho va­tan’olombelona miboridana, satria, tsy soatoavina malagasy izany. Mety ho lafo vidy noho ny hasarobidin’ilay hazo fotsiny ihany !

Resin’ny varotra ny hasina
Mety ho tafara-dalana ve ny varotra sy ny hasina ? Hatramin’izao, mbola sarotra ho an’ny Malagasy ny mamaly azy io. Matetika, resin’ny varotra ny hasina. Miroborobo fatratra ny varotra kolontsaina na zavakanto, sns, fa ilay hasina ao anatin’ireny, very na mety ho faty mihitsy aza. Miroborobo fatratra sy mahasarika vahiny ny zaitra petakofehy ataon’ny Malagasy, saingy, ilay Malagasy manao azy mihitsy no mametaka aloalo eo amin’ny akanjo zairiny ! Tahaka izany koa, ankehitriny, ilaofan’ny Malagasy rojomena ny henan-kisoa. Very hasina ny rojomena.
Antony handresen’ny va­rotra ny hasina ny tsy fahalalan’ny Malagasy ny tena fototra, hany ka mora «iadiam-barotra» !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: