Niteraka resabe tao anatin’ny fotoana lava ny mahakasika ny fankalazana ny taombaovao malagasy. Nisy ny dinika sy ny fifampiresahana, araka ny nambaran’ny Printsesy Ratsimamanga Ralandison Fenosoa, mba hahafahana mahazo ny marimaritra iraisana.
Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny Rovan’i Madagasikara ireo Olobe sy mpitana ny soatoavina sy ny kolontsaina malagasy avy amin’ny lafivalon’ny Nosy, notarihin’ny Printsesy Ratsimamanga Ralandison Fenosoa, ny sabotsy teo. Ny mahakasika ny taombaovao malagasy izay miteraka resabe eny rehetra eny no noresahina nandritra izany. Tao anatin’izany no nanambaran’izy ireo fa samy hankalazaina ho taombaovao malagasy avokoa na ny 11 marsa 2024 na ny 6 septambra 2024. « Misy roa ny taombaovao raha ny eto Madagasikara, ary samy tsy azo atao latsa-danja. Misy ny taombaovao malagasy fidiovana, izay hankalazaina ny 11 marsa izao. Eo ihany koa ny Taombaovao lohataona, ankalazaina ny 6 septambra izao », hoy ny Printsesy Ratsimamanga Ralandison Fenosoa. Tanjona amin’izao ny hahafantarana sy hahafahan’ny Malagasy rehetra mankalaza ny taombaovao.
« Tonga izahay nentanin’ny fitiavana ny kolontsaina ka nanana finiavana hiresaka sy hifandamina amim-panajana sy am-pahitsiana ka tonga amin’izany fankalazana roa izany », hoy ny Printsesy Ratsimamanga Ralandison Fenosoa. Fotoana iray izay hidiovana sy hanaovana fifamelana, fitsofan-drano sy fangataham-pitahiana ny taombaovao malagasy. Izany indrindra no hangatahina izany daty izany ho andro tsy fiasana mba hahafahan’ny Malagasy manatanteraka ireo rehetra ireo. « Tsy azo sarahina ny 11 marsa sy ny 6 septambra noho izy miantoka ny hasim-pirenena iombonana, izay miteraka ny fahamarinan-toeran’ny kolontsaina malagasy sy ny fiandrianam-pirenena », hoy ny mpitondra tenin’ireo mpitana ny soatoavina sy ny kolontsaina.
Anisan’ny tazana, nandritra izany valandresaka ho an’ny mpanao gazety izany, Randrianatoandro Robert, avy amin’ny Tranoben’Imerina, Rakoto David, avy amin’ny Tranoben’ny Kolontsaina ary i Ankoay.
Lin