« Mifampitantana 2024 »: manome fotoana ny mpankafy indray i Bodo sy i Poopy

Tany amin’ny 15 taona lasa no nivoaka ilay tamba-kira malaza nataon’i Bodo sy i Poopy. Nanomboka teo, lasa fampisehoana anisan’ny be mpiandry indrindra ny fiarahan’izy ireo. Ho avy ny manaraka.

Ity angamba ny fampiaraham-peo be mpankafy in­drindra… Ary mbola miandry hatrany ireo mpankafy, ka manome fotoana azy ireo indray i Bodo sy i Poopy. Ho­tontosaina ny alahady 31 marsa ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ny “Mifampitantana 2024”. Ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina ihany no hanatontosana izany. Fotoan-dehibe satria na efa nisy aza, tsy matetika ny fiarahana amina sehatra iray ho an’ireto mpanakanto andriambavilanitra, samy nametraka ny anarany eo amin’ny tontolon’ny mozika, ireto.
“Tamin’ny taona 2017 ny seho farany, izay nokarakarainay ihany. Ezahinay ho anisan’ny fampisehoana raitra indrindra amin’ity taona ity io”, hoy ny filazan’i Tantely Rala­larison, tomponandraikitra voa­lohany ao amin’ny Live Prod. Vantany vao raikitra ny fandaharam-potoana dia efa niroso tamin’ny fanomanana ny seho, na ireo mpanakanto na ny mpikarakara. “Noma­ninay manokana ny seho amin’ny ankapobeny, ny sehatra, hatramin’ny fitafiana hanaovan’ireo mpanakanto”, hoy hatrany ny fanazavana.
Mba hahafeno ny fampisehoana, hiray sehatra hatramin’ny farany i Bodo sy i Poopy ary ireo mpitendriny avy. Saika fampiaraham-peo avokoa, araka izany, no hitranga. Hisy ampahany ihany hanaovan’ny iray ny hiran’ny iray. Mazava loatra fa tsy maintsy tsongaina izay hira alahatra, ka ireo tena handrasan’ny mpankafy no hatolotra mandritra izany. Maherin’ny 50 ny hira hosafidiana sy hatolotra an-tsehatra amin’io, raha ny fanazavan’ny mpikarakara hatrany.
Tsiahivina fa vao avy nanatontosa ny fankalazana ny faha-40 taona niakarany an-tsehatra i Poopy, raha toa ka mbola ao anatin’ny fanamarihana ny faha-35 taona i Bodo.

Zo ny Aina

 

Partager sur: