Notokanana, omaly, ny lalana Ranohisoa Seth etsy Ankorondrano. Tonga nanatrika izany ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Nataon’ ny ben’ny Tanàna ho laharam-pahamehana ny fametrahana ireo anaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra, ho an’ireo olomanga sy raiamandreny, noho ny fankasitrahana ny soa nataony teto Antananarivo sy ireo mpiara-belona rehetra nifanerasera taminy ary mba ho fitaratra sy modely ho an’ny tanora malagasy.
Itompokolahy Ranohisoa Seth dia anisan’ny olomanga nalaza teo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy nanorina ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama) tamin’ny taona 1972. Efa filohan’ny fikambanana «Groupe Ranohisoa Frères et Compagnie» ary mbola nanana orinasa maro ihany koa izy. Efa Loholon’i Madagasikara, nanana fikirizana sy finiavana, niainga tamin’ny kely ary nahay nampiana-tena sy niroborobo tsikelikely Itompokolahy Ranohisoa.
Hita tamin’ny sehatra maro samihafa, toy ny fiompiana, ny fivarotana fiara sy ny maro hafa ihany koa izy. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny sehatry ny toekarena, ny politika sy ny fampandrosoana ary indrindra teo amin’ny asa sosialy ny tenany. Olona tia fiarahamonina. Anisan’izany ny fanomezany sekoly iray eo Ankorondrano, mitondra ny anaran’ny vadiny Ratsirahonana Ranohisoa Charlottes, ka rariny sy hitsiny raha eny amin’iny faritra iny no hametrahana ny anarany. Lalana mirefy 2 km eo izany, manomboka eo amin’ny Logistique pétrolière ka hatreo amin’ny Ibis Hotel.
Tsiahivina fa nahazo fankatoavana tamin’ny mpanolotsaina monisipalin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra tamin’ny 31 aogositra 2022 ity lalana mari-pahatsiarovana an’Itompokolahy Ranohisoa Seth ity.
Fitia (Mpianatra Asa)