Miezaka miaro ny ala sy mamboly hazo ny tomponandraikitra eto Madagasikara. Mbola miantoka ny fanjifana angovo eto an-toerana ny hazo. Manodidina ny 92 % amin’izany ny arina fandrehitra. Mbola maivana ny fanjifana angovo hafa eto Madagasikara ary lafo loatra ny herinaratra, tsy takatry ny maro.
Tsy mitsaha-mitombo ny fanjifana hazo atao angovo eto Madagasikara, mahatratra hatrany amin’ny 92% ny fampiasana izany, raha ny fanadihadiana natao. Lafo ary manantombo avo 5 hatramin’ny 10 heny ny fahalafosan’ny fandrahoana sakafo amin’ny herinaratra raha oharina amina arina fandrehitra. Anisan’ny mbola be mpampiasa ny saribao, na an-drenivohitra na any ambanivohitra.Manantombo amin’ny fandaniana solika mavesatra sy gazoala ny Jirama hamokarany herinaratra ankehitriny. Raha toa ka 1 % monja ny fanjifana angovo azo havaozina amin’ny masoandro.Azo atao tsara ny mampitombo avo efatra heny ny fandaniana herinaratra hatramin’ny 2030. Tsy maintsy ovana ny fomba fanjifana herinaratra, raha ho tratrarina ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny hisian’ny fampandrosoana ny firenena. Mifampiankina ny fitomboan’ny toekarena sy ny fampiasana herinaratra, raha ny fanadihadiana ara-toekarena natao. Tsy misy fampiasam-bola azo atao amina toerana iray raha tsy ampy herinaratra. Fitomboan’ny fanjifana herinaratra midika fitomboana ara-toekarena. Tsy maintsy misy fiantraikany amin’ny toe-karena sy hitsinjovana ny tontolo iainana ihany koa ny politika momba ny angovo.
Ferana ny famatsiana manerana ny Nosy
Maherin’ny 18 tapitrisa ny mponina tsy manana herinaratra, raha ny zava-misy eto amin’ny Firenena. Tombanana ho 33,7 % ny mponina mampiasa herinaratra eto Madagasikara. Eo anelanelan’ny 15 % sy 17 % ny faritra rakotry ny herinaratra, raha ny fahitan’ny Vondrona Eoropeanina azy, tamin’ny taona 2020. Mahatratra 55 % izany ho an’ny an-tanàn-dehibe. Manodidina ny 5 % kosa ho an’ny any ambanivohitra. Tsy ampy ny herinaratra amin’ny faritra maro, tsy afaka mamatsy vola tanteraka ho an’ny angovo ihany koa ny fanjakana, raha ny zava-misy. Vokany, tsy mandeha ny fanabeazana, ny asa, ny fiarovana, ny indostria, sy ny sehatra hafa ilain’ny vahoaka noho ny tsy fahampian’izany angovo izany.
Tsy mandeha ara-dalàna ny famatsiana jiro sy rano an-tanàn-dehibe satria ratsy ny tambajotra. Matetika tapaka ny jiro sy rano. Ora enina eo ho eo ihany no mandeha ny herinaratra isan’andro any amin’ny faritra sasany. Voatery manapaka sy mitsinjara ny famatsiana ny Jirama manoloana izany. Bokan-trosa, tsy fantatra mazava ihany koa ny fisondrotry ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, raha ny fanazavan’ity orinasam-panjakana ity.
Raha atao ny kajikajy, terena ny mponina hampihena ny asany, ferana ny famatsiana… Antony iray mahatonga ny tsy fandrosoan’i Madagasikara izany. Mihamitombo ny tsy an’asa, izay mitarika fatiantoka goavana ho an’ny orinasa sy ny mpandraharaha ihany koa izany.
Hanampy faritra maro
Mampiasa milina fiandry avokoa ny ankamaroan’ny tokantrano, ny orinasa na ny vondrona rehefa tapaka ny jiro. Olana sedrain’ny fanjakana hatramin’izao ny fampiasana solika sy ny fiankinana be aminy ary ny vola fenoiny ho an’ny Jirama, mba tsy ho vesatra be loatra ho an’ny mpanjifa ny vidin’ny jiro sy rano.
Nandrafitra politika vaovao momba ny herinaratra (NPE) ny fanjakana nanomboka ny 2015 hatramin’ny 2030 manoloana ireo olana ireo. Ahitana fitaovana moderina mitsitsy ary mankany amin’ny angovo azo havaozina izany. Ankoatra izay, mametraka fepetra ny fitondram-panjakana fa alohan’ny taona 2025, manodidina ny 1 100 km ny tariby mpitondra jiro fanampiny. Tanjona ny mba hamenoana ny tsy fahampian’ny famokarana herinaratra eto amin’ny Nosy sy hampitomboana ny filan’ny mpanjifa. Ankoatra izay, mampanantena ny fitondram-panjakana fa ho tapitra ny delestazy. Amin’ny 2027 vao mety tsy hisy intsony izany, amin’ny fotoana hihodinan’ny foibe Sahofika ao Antsirabe. Heverina fa afaka hanampy faritra maro hatraty afovoantany io foibe famokarana io. Mahatratra 190 MW hatramin’ny 300 MW, azo lazaina fa matanjaka noho ny ao Andekaleka ny ho vokariny.
Anisan’ny angovo azo havaozina voalohany eto Madagasikara ny fanodinana rano. Ny zava-misy amin’izao fotoana, mbola miankina amin’ny Jirama ny maro.
Nanatontosa : R. Mathieu